Ny fivavahana marina

Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Desambra 2024

Kolosiana 2.16-23

Kolosiana 2.16-23
16 Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; 17 aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy. 18 Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin'ny anjely, ka mitompo amin'ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan'ny nofony [* Na: (tsy)] 19 ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan'ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin'ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan'Andriamanitra. 20 Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe: 21 Aza mandray, aza manandrana, aza manendry - 22 levona amin'ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran'olona? 23 Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin'ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.

Ny fivavahana marina

1- Tsy fombafomba ivelany fotsiny.

Mananatra ny mpino ny Apostoly Paoly manoloana ny fampianaran-diso izay mitady hahazo vahana co amin’ny Kristiana sasany. Naelin’ireo mpomba ny fivavahana Jiosy tamin’izany ny mantsy fa tsy maintsy foråna ny Jentilisa vao azo raisina ho kristiana; teo koa ny fandraråna tsy hihinana ny sakafo sasany; ny fanarahana ny fombafomba amin’ny andro na volana voatondro ao anatin’ny taona; ny fitandremana ny Sabata (and. 16). Nanampy trotraka izany ny fombafombam-pivavahana izay mitaky famolahan-tena sy saina, lazain’i Paoly hoe: « fanetren-tena haitraitra, sy ny fivavahana amin’ny anjely » (and. 18). Ambaran’i Paoly fa « aloky ny zavatra ho avy » ireny, dia i Kristy izany (and.17). Mila mitandrina isika amin’ny fombafomba sy fitsipika izay mety hanaisotra antsika amin’ny fanarahana an’i Kristy.

2- Fifandraisana marina amin’i Kristy.

Ampy ho an’ny fiainana maha kristiana sy hahatonga ny olona iray ho isan’ny ankohonan’ Andriamanitra ny finoana ny asa vitan’i Jesoa Kristy teo amin’ny Hazofiljaliana. Io ilay ambaran’i Paoly hoe: « famoràn’i Kristy » na « famorana ara-panahy » (Jereo Kol.2.11-13). Amin’izany dia ny batisa no famantarana io famorana io. Ny batisa no marika ilazana fa efa afaka tamin’ny fahotana ny olona iray, ary tsy manan-kery aminy intsony ny ota. Mampahatsiahy izany i Paoly raha milaza hoe: « Ary raha niara- maty tamin’i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ny abidim- pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe: Aza mandray, aza manandrana, aza manendry » (and.20-21)

Fanontaniana:

Inona no mampiavaka ny fombam-pivavahana amin’ny « tena fivavahana marina »?

Sampana Sekoly Alahady Foibe