Ny toe-panahy manetry tena:

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Desambra 2024

Jakoba 4.1-10

Jakoba 4.1-10
1 [Fananarana ny tia ady sy ny mpisintaka sy ny manendrikendrika ary ny tsy manaiky ny fitondran'Andriamanitra] Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo? 2 Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra* ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. [*Na: mialona] 3 Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo. 4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. 5 Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina*? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika** dia iriny amin'ny fahasaro-piaro***. [* Na: ny Soratra Masina hoe] [** Na: izay mitoetra ato anatintsika] [*** Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fialonana] 6 Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34]. 7 Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. 8 Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. 9 Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo. 10 Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

Ny toe-panahy manetry tena:

1- Miseho amin’ny fifandraisana amin’ny hafa.

Anisan’ny toetra tokony ho hita taratra eo amin’ny fiainan’ny mpino amin’ny andavanandro sy amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona ny fahaizana manetry tena. Ny fitiavan-tena tafahoatra anefa no fositra manimba ny fifandraisana amin’ny hafa, ka tsy ahaizana manetry tena. Fa avy amin’izany no javian’ny ady sy ny fifandirana, ny fitsiriritana, ny fijangajangana, ny fiavonavonana, ny fialonana (and. 1,2,3,6). Mampalahelo tokoa raha sanatria misy toe-javatra toy izany eo amin’ny fifandraisan’ny samy kristiana. Ny olon’izao tontolo izao mantsy no miaina amin’izany. Izany no antony ampahatsiahivana indray eto hoe: »… Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy. »(and.4).

2- Toe-panahy manaiky an’Andriamanitra.

Ny fifandraisana marina amin’Andriamanitra dia midika ho fanekena Azy, fanarahana an-tsakany sy an-davany ny sitrapony amin’ny fanetren-tena rehetra. Zavatra roa no takiana amin’ny mpino mba hananany fifandraisana marina amin’Andriamanitra, ka ny voalohany amin’izany dia ny fanoherana ny fakam-panahy ataon’ny devoly: « Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy (and.7); ary ny faharoa izay tsy afa-misaraka amin’izany dia ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fibebahana, mba hananana fahadiovam-po: « Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. »(and.8,9,10)

Fanontaniana:

Mody manetry tena ilay olona, kanefa hay midoka tena! Hazavao

Sampana Sekoly Alahady Foibe