Manetry tena mba hasandratra…

Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Desambra 2024

Lioka 14.7-11

Lioka 14.7-11
7 Ary Jesosy nanao fanoharana tamin'izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha, ka nanao taminy hoe: 8 Raha misy maka anao ho any amin'ny fampakaram-bady, aza mipetraka eo amin'ny fitoerana aloha, fandrao hisy olona nalaina izay mihaja kokoa noho ianao, 9 ary ho avy izay nanasa anao sy izy ka hilaza aminao hoe: Omeo toerana io olona io: dia ho menatra ianao ka hifindra ho any amin'ny fitoerana aoriana indrindra. 10 Fa raha misy manasa anao, mandehana ka mipetraha eo amin'ny fitoerana aoriana indrindra, ary rehefa tonga ilay nanasa anao, dia mahazo manao aminao hoe: Ry sakaiza, mandrosoa etsy alohaloha kokoa; dia hahazo haja eo imason'izay rehetra miara-mipetraka mihinana aminao ianao. 11 Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.

Manetry tena mba hasandratra…

« Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra. »(and.11)

1- Ny mpanandra-tena:

Ny olona manandra-tena dia tia fitoerana aloha, na koa akaikin’ny olona heverina ho ambony sy be voninahitra. Fahafinaretana ho azy ny misehoseho mba hahitan’ny olona ny maha izy azy. Ny olona ambony saranga eo amin’ny fiaraha-monina, na olona manan-karena, na manana fahaizana sy fahalalana izay heveriny ho mampiavaka azy manokana no mora tratran’ity aretin’ny fanandratan-tena ity raha tsy mitandrina. Tsy zakan’izy ireny mihitsy raha ny haja amam-boninahiny no voatohintohina. Mahavita manaratsy sy mamingana ny hafa izy ireny mba hampisongadinany ny tenany. Tsy mety aminy, raha tsy ny heviny sy izay heveriny ho mety aminy ihany no arahina. Izany akory tsy milaza hoe izay rehetra mipetraka eny aloha dia mpanandra-tena.

2- Ny mpanetry tena:

Ny olona manetry tena kosa dia olona mahay mametraka ny hafa ho ambony kokoa noho izy, tsy mpila sitraka aman’olona fa mikendry mandrakariva izay hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny teny sy ny asa; olona manana ny sain’i Kristy, Izay na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana. (Fil 2.6-9)

Fanontaniana:

Ahoana ny fahitanao ny fandaminana ny fipetrahan’ny olona ao am-piangonana misy anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe