Fomba hiatrehana ireo fahavalon’ny Filazantsara
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Desambra 2024
2 Korintiana 10,1 - 11
1 [Teny nentin'i Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly marina] Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo. 2 Dia mangataka aho mba tsy ho sahy, rehefa tonga, amin'ny fahatokiana izay kasaiko hahasahiana amin'ny sasany, izay manao anay ho mandeha araka ny nofo. 3 Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo 4 (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy); 5 fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy, 6 ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, rehefa tanteraka ny fanarahanareo. 7 Mijery zavatra araka ny fisehony ihany va ianareo*? Raha misy olona matoky ny tenany fa an'i Kristy, aoka izay hisaintsaina izao indray, fa tahaka ny mah'an'i Kristy azy no mah'an'i Kristy anay koa.[*Na: Mijery zavatra araka ny fisehony ihany ianareo] 8 Fa na dia bebe ihany aza ny fireharehako ny amin'ny fahefanay izay nomen'i Kristy anay hananganana, fa tsy handravana anareo, dia tsy hahazo henatra aho, 9 mba tsy hisehoako toy ny ta-hampitahotra anareo amin'ny epistily. 10 Fa ny epistiliny, hoy izy, dia mavesatra sy mahery; fa malemy kosa ny fanatrehan'ny tenany, ary tsinontsinona ny teniny. 11 Aoka izany olona izany hihevitra izao, fa tahaka ny fiteninay amin'ny epistily, raha tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny asanay rehefa tonga izahay.Fomba hiatrehana ireo fahavalon’ny Filazantsara
Tsy ny olona rehetra akory no faly tamin’ny asa fitoriana ny Filazantsara notanterahin’i Paoly, fa nisy koa ireo nanenjika sy nanevateva azy. Ahoana no nasetriny izany?
1- Mananatra amin’ny halemem-panahy
Misy ny fotoana tokony hitenenana, indrindra rehefa hita fa mety hanimba ny Fiangonana sy hanaisotra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-pon’ny olona ireny fanenjehana sy fanaratsiana ireny. Hoy i Paoly mamaly izany: « Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’i Kristy… (and.1). Ny halemem-panahy sy ny hamoram-pon’i Kristy no isalorany fa tsy ny toe-pony amin’ny maha olona azy. Na dia nanenjika sy nanao tsinontsinona an’i Jesoa aza mantsy ny mpanota, dia hainy hatrany ny naneho fitiavana sy halemem- panahy. Nekeny hatramin’ny fahafatesana aza, mba hamonjena ny mpanota. Io fanetren-tena io dia nampiavaka an’i Paoly tamin’ny hafa, satria noheverina ho fahalemeny, ka nahatonga ny mpino sasany hisalasala ny amin’ny maha Apostoly azy.
2- Miasa miaraka amin’ny herin’ Andriamanitra
Ary satria nisy tamin’ireo olona no tsy nanaiky ny fahefana maha Apostoly Azy; ka izany no nahatonga an’i Paoly hanazava ny iraka ampanaovin’ny Tompo sy ny fahefana nomena azy, ary ny fahavononany hahatanteraka izany. Hoy izy: « …fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy… ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, reheja tanteraka ny fanarahanareo (and.4-6) Asehony amin’izany fa ny Tenin’Andriamanitra no fiadiana mahery entiny handrava ny fisainana rehetra manohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra.
Fanontaniana:
Inona no vahaolana arosonao manoloana ny fisian’ny olona sasany fatra-panenjika ny mpitondra fivavahana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe