Mahaiza mifidy ny lalan-kizorana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Desambra 2024

Ohabolana 15.27-33

Ohabolana 15.27-33
27 Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona. 28 Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana. 29 Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny. 30 Ny tarehy miramirana* mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.[Heb. Ny fahazavan'ny maso] 31 Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry. 32 Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana. 33 Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.

Mahaiza mifidy ny lalan-kizorana

Asehon’ny Soratra Masina amintsika anio ny toe-javatra miandry ny olona araka izay safidy ataony hitondrany ny fiainany:

1- Fahavoazana

Fahavoazana no anjara miandry ny olona manao ratsy, dia izay tsy mandeha amin’ny fahamarinana, miaina amin’ny haratsian-toetra. Mahita loza ny olona tsy mihevitra afa-tsy ny fikatsahana harena satria tafalatsaka amin’ny kolikoly (and.27). Tsy mandray valim-bavaka avy amin’Andriamanitra ny ratsy fanahy (and.28b-29a). Rehefa tsy mandeha amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra ny olona dia tsy lavorary ny fiainany.

2- Fitahiana

Miavaka tanteraka ny olona manao ny marina eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny olona marina dia misaina sy mandinika tsara izay tokony hataony (and.28a). Noho izany toetra mahay mandinika izany dia tsinjovin’ Andriamanitra manokana ny marina mba hahafahany mandray valim-bavaka avy Aminy, valim-bavaka handraisana ny fitahiana sy fiainana lavorary ao amin’ Andriamanitra (and.29b-31).

3- Mandray fiainana

Tsy fitahiana ihany no azon’ny olona mandeha amin’ny fahamarinana fa fiainana ihany koa. Ny olona manao ny marina dia manana fahavononana handray fananarana mba hitondra ny tenany mifanaraka amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra (and.32-33). Ny olona mahay manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra no afaka mandray ny fiainana.

Fanontaniana:

Diniho miaraka amin’ity mofonaina ity ny Deo 30. 15 – 20

Sampana Sekoly Alahady Foibe