Kristiana miaina amin’ny toe-panahy marina

Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Desambra 2024

1 Petera 3.8-12

1 Petera 3.8-12
8 [Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. 10 "Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; 11 Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. 12 Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).

Kristiana miaina amin’ny toe-panahy marina

Manoratra taratasy ho an’ny olom-boafin’Andriamanitra rehetra, dia ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy i Petera. Tokony hanana toe-panahy miavaka ny mpino Kristiana hoy izy ka:

1. Hiaina amin’ny fitiavana

Izany dia midika ho fiombonana ho tena iray ao amin’i Jesoa Kristy, noho ny famonjena tanteraka teo amin’ny Hazofijaliana. Dia ilay Hazofijalina izay nandrava ny fisarahana, ary mitaona ho amin’ny fiombonana. Mazava tsara araka izany ny antso ataon’i Petera eto: «miraisa saina… miaraha ory….mifankatiava tahaka ny mpirahalahy…». Toe-panahy tena mampiavaka ny Kristiana ny miaina amin’ny fiombonana, ny fifankatiavana fa izany no baikon’i Jesoa Kristy ho fanehoana eo imason’izao tontolo izao fa tena mpianany. Ny mpino mahay manafoana ny tenany no afaka miaina amin’ny fifankatiavana marina.

2- Hiala amin’ny ratsy

Ny tanjon’ny fiainana Kristiana dia ny fandovàna ny fanjakan’ Andriamanitra. Lalan-tokana hidirana amin’izany ny fialana amin’ ny toetra ratsy rehetra. Toetra ratsy tena mamatotra ny zanak’olombelona ny fanaratsiana ny namana, ny fanenjehana, ny mamitaka. Tezitra amin’izay fatra-pifikitra amin’ny faharatsiana ny Tompo; manapaka ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny ratsy rehetra. Ny fialana amin’ny faharatsiana irery ihany no ahafahana manamafy ny fiombonana amin’Andriamanitra sy handraisana ny fiainana avy Aminy. Manàna toe-panahin’ny tena zanak’ Andriamanitra mba handraisanao fiainana.

Fanontaniana:

Nahoana no mbola mpino ny mifanenjika, mifanaratsy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe