Jesoa Kristy mampianatra ho amin’ny fanetren-tena
Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Desambra 2024
Marka 9. 33-37
Marka 9. 33-37
33 Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana? 34 Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra. 35 Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy. 36 Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany: 37 Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.Jesoa Kristy mampianatra ho amin’ny fanetren-tena
1- Mahalala ny ao am-po
Miara-dia i Jesoa Kristy sy ny mpianatra. Niavaka ny toe-javatra nitranga teny an-dalana. Mizotra ho any Kapernaomy hanatanteraka ny asa fanompoana nanirahan’Andriamanitra Azy i Jesoa Kristy. Ireo mpianatra kosa, ny nahamaika azy dia ny fiadiana toerana, fiheverana izay ho lehibe, ho mpitarika amin’izy rehetra. Na dia tsy nandre nivantana ny fifampiresahana aza i Jesoa Kristy dia nahalala ny ady hevitra, nahalala ny tao am-pon’izy ireo ka indro mametraka ny fanontaniana «Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?». Tsarovy fa tsy misy miafina amin’i Jesoa Kristy ny ao am-ponao, Andriamanitra mahalala ny miafina rehetra Izy koa aza miafina na manafin-javatra Aminy.
2- Mitarika ho amin’ny fifanompoana
Mazava tsara ny toromarika omen’i Jesoa Kristy ny mpianany: «raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’izy rehetra izy». Izany hoe tsy ny resaka atao no ahazoana ny laharana voalohany, ny ho mpitarika fa ny fanekena hanompo. Tsy ady toerana no tokony mahamaika fa ny fanekena hanao asa fanompoana, tena hanompo ho amin’ny fampandrosoana ny hafa, fiheverana ny hafa. Manompo an-tsitrapo tsy mila tambiny, fanaovana asa soa tahaka ny tanterahina amin’ny zaza, ny zaza izay tsy mahavaly fitia. Manàna fanetren-tena ka mahaiza manompo ny namanao.
Fanontaniana:
Toetra manao ahoana no takiana amin’izay te-ho tompon’andraikitra eo anivon’ny Fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe