Manetre tena fa zava-poana ny ezaka ataonao

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Desambra 2024

Mpitoriteny 2. 4-11

Mpitoriteny 2. 4-11
4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanim-boaloboka, 5 nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao; 6 nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo; 7 nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman'osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema. 8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fananan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka*. [Na: fahafinaretan'ny zanak'olombelona be dia be] 9 Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany. 10 Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin'ny fisasarako rehetra. 11 Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra* foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tat? ambanin'ny masoandro.[Na: Homan-drivotra]

Manetre tena fa zava-poana ny ezaka ataonao

Zava-poana ny fiainana eto an-tany. Noho izany dia mahaiza manetry tena ka hibanjina ny any an-danitra.

1- Tsy mahasoa ny zavatry ny tany

Voatanisa eto ny ezaka rehetra nataony mba hananany fiainana miavaka: nanao trano, nanao tanimboaloboka, fambolena isan- karazany, fiompiana samihafa, nanangona harena sarobidy. Raha jerena amin’ny lafiny ara-toe-karena dia tsy nanan-java-mahory izy, feno ny filana maha olona rehetra, sady manana ny anjara- toerana maha izy azy tao anatin’ny fiaraha-monina. Saingy rehefa nandinika ny tena fiainana izy dia nahatsapa ka niteny hoe: «tsy nisy nahasoa taty ambany masoandro» (and.11). Mahaiza manetry tena, aza mifikitra loatra amin’ny zavatry ny tany fa tsy mahasoa izany, mora miova.

2- Banjino ny tena fiainana

<<Kanefa rehefa nitodika aho nandinika ny asako rehetra» izany hoe nijery tamin’ny antsipiriany, nijery akaiky tokoa, dia nandray fanapahan-kevitra fa tsy ny fikatsahana ny eto an-tany no tokony handaniana ny andro. Misy ny tena fiainana voaoman’ Andriamanitra ho an’ny olombelona mino sy manaiky Azy. Izany no tokony hironan’ny fo sy ny saina. Fanetren-tena, fanafoanana ny ezaka nataony tety an-tany fa fiezahana kosa ho amin’ny finoana sy fatokiana fa misy ny tena fiainana ao amin’Andriamanitra. Tsy azo ianteherana ny fiainana eto an-tany. Ao amin’Andriamanitra no tena harena sy fiainana maharitra, manetre tena mba hitoetra eo Aminy mandrakariva.

Fanontaniana:

Inona no toromarika omenao amin’ireo fatra-pifikitra amin’ny zavatry ny tany ka manadino an Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe


Mofon'aina teo aloha

Fanetren-tena mampiavaka ny olon’And...

Alakamisy, 5 Desambra 2024

Fanetren-tena mampiavaka ny olon’Andriamanitra: 1- Mandrindra ny fihavanana Miara-miaina ao anatin’ny fiarahamonina ny olona araka…

Ny fitiavana no fototry ny fihetsiky...

Asabotsy, 30 Novambra 2024

Ny fitiavana no fototry ny fihetsiky ny Kristiana rehetra Betsaka ny fihetsika toa tsara ety…

Ny Fahendrena avy amin’Andriamanitra...

Alarobia, 27 Novambra 2024

1- Ny Kristiana dia tokony ho manana fahalemem-panahin’ny fahendrena (and 13) Ny fiainan’ny Fiangonana dia…