Ny toe-po hifandraisana amin’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Desambra 2024

Lioka 18.9-14

Lioka 18.9-14
9 Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa; 10 Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra. 11 Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza. 12 Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho. 13 Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. 14 Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.

Ny toe-po hifandraisana amin’ Andriamanitra

Fomba nentin’ilay Fariseo sy ilay mpamory hetra nivavaka tamin’ Andriamanitra no asehon’ny Soratra Masina ho antsika amin’ity anio ity. Hita taratra eto ny toe-po mendrika ankasitrahan’Andriamanitra raha mivavaka.

1- Tandremo ny fanamarinan-tena

Niavaka ny tonom-bavaka nataon’ilay Fariseo, nisaotra an’Andriamanitra ihany tokoa izy kanefa nitsara ny hafa, nitanisa izay heveriny fa fahotan’ny hafa; nanamarina ny tenany sady nitanisa ny ezaka nataony ho amin’ny fanarahany ny fombam-pivavahana fanaony. Tsy nankasitrahan’i Jesoa Kristy izany tonom-bavaka nataony izany. Tandremo ny toe-po entina mifandray amin’ Andriamanitra. Mahalala ny fiainanao Izy, tsarovy fa Izy irery ihany no manamarina na manameloka ny olona mifandray Aminy. Aza maika hitsara ny namanao.

2- Mahaiza miaiky fa mpanota

Niavaka ny toe-po nentin’ilay mpamory hetra nivavaka tamin’ Andriamanitra. Nosokajian’ny Jiosy fa mpanota izy ireo noho ny asa fanaony: mpamory hetra, mangalatra sady miray saina amin’ny mpanjanantany romana. Tsy nanafina ny maha mpanota azy tokoa izy rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra, mpanota miaiky fa diso, ka mangataka ny famindrampon’ Andriamanitra. Nankasitraka ny toe-pony tokoa i Jesoa Kristy, azony ny valim-bavaka avy tamin’ Andriamanitra. Ny fanekena fa mpanota, ny fanetren-tena no ahitana ny famindrampon’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny toe-pon’ny olona miaina amin’ny fanetre-tena?

Sampana Sekoly Alahady Foibe