Ny manam-pahefana ara-pitsarana dia tokony hitsara marina.
Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Novambra 2024
Zakaria 8.7-14
Zakaria 8.7-14
7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho; 8 ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana. 9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin'izao andro izao avy amin'ny vavan'ny mpaminany, izay teo tamin'ny andro nanaovana ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly. 10 Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an'ny olona, na valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin'ny namany avy ny olona rehetra. 11 Fa amin'izay kosa dia tsy ho toy ny tamin'ny fahiny intsony amin'ny sisa amin'ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 12 Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa*, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany. [na: fa hamoa ny voankazo izay vanona amin'ny fiadanana, dia ny voaloboka] 13 Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo. 14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho,Ny manam-pahefana ara-pitsarana dia tokony hitsara marina.
Fiaraha-monina efa lò tanteraka no nisy tamin’ity zava-nitranga tamin’ity faminaniana ity; ary isan’izay niteraka ny faharavan’ny fanjakana Joda izany. Fanararaotana ny mahantra, ny vahiny sahirana noho ny tsy fananana zara-tany hivelomana, ny kamboty sy ny mpitondran-tena izay tsy mba misy mpamelona. Satria ireo día tsy mba manana vola ho entina miady any amin’ny fitsarana. Alaina an-keriny ny kely mba fananan’izy ireo, dia tsy misy manam-pahefana mitsara marina loatra. Satria tsy manam-bola atao kolikoly izy. Nahatezitra an’Andriamanitra izany satria Jehovah no nanao azy ireo ho kamboty sy mpitondran-tena, ho vahiny, eny ho mahantra ihany koa aza. Aoka tsy hohadinoitsika anefa fa misy fotoana Jesoa Kristy dia miseho endrika tahaka ireny, ka mitsapa ny olona, araka izay voalaza ao amin’ny Matio 25.40 « Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. ».
Ry havana, ho antsika manam-pahefana ara-pitsarana na izay afaka miady ho an’ny marina ka hanampy ireny olona manana raharaham-pitsarana ireny ka iharan’ny tsy rariny, mba ilain’ny Jesoa isika mba hiady ho azy; raha mba manana ny marina ihany izy ireny. Fa hahatsiaro fahasambarana tokoa anie isika aorian’izay e ! llay tena fahasamabarana an!
Fanontaniana
Efa mba nahafantatra na nahita mpitsara tsy mba nanao kolikoly fa nitsara marina tokoa ve ianao? Ento am-bavaka izy ireny!
Sampana Sekoly Alahady Foibe