Ny olon’Andriamanitra dia tokony hanao ny marina sy ho tia rariny

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Novambra 2024

Jeremia 5.1-6

Jeremia 5.1-6
1 [Ny faharatsian'ny olona, izay nahatonga ny loza namely azy] Miveziveze eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao ankalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok'i Jerosalema. 2 Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany. 3 Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy. 4 Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan'i Jehovah, na ny fitsipik'Andriamaniny; 5 Handeha ho any amin'ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan'i Jehovah sy ny fitsipik'Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana. 6 Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an'ala, ary mandringana azy ny amboadia* avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.[lopa]

Ny olon’Andriamanitra dia tokony hanao ny marina sy ho tia rariny

Nitady ny olona izay nanao izany tao Jerosalema Jehovah Andriamanitra saingy tsy nahita. Mba nihevitra ny hahita izany tao amin’ireo lehibe, toy ny Mpanjaka sy ny tao an-dapa indray Izy ary izay lehibe tao amin’ny ara-pivavahana, fa tsy nahita ihany koa. Ny zava-misy dia ny lehibe mamoritra ny osa kokoa noho izy, dia toy izay foana. Toa mampatsiahy ny lalanan’ny mahery izay iainan’ny biby ka izay mahery no mihinana sy mamoritra ny osa noho izy. Saika nilaozan’ny fahatsiarovan-tsaina izy ireo ka maneho fihetsika toy ny fihetsiky ny biby. Isika olombelona, indrindra isika Kristiana koa dia misy manao ny toy izany na dia tsy ny rehetra aza, nefa tsy tokony tsy hietry toy izany ka hitovy amin’ny biby. Ambony noho ny biby isika noho ilay Fanahy Masina nomena tao amin’ny famoronana, io ilay fofonain’ Andriamanitra nampiavaka antsika amin’ny biby. Mazava ny ambaran’ny Mika 6.8 « Ry olombelona o, efa naseho izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany ny hanao ny marina sy ho tia famindram-po, ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena. »

Fanontaniana

Mitovy amin’ny firenen’i Joda tamin’izany ve Madagasikara? sa mbola tsara kokoa sa mbola ratsy kokoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe