Toe-panahin’ny Mpitondra sy ny Fianakaviana Kristianina
Mofonaina anio: Talata, faha 26 Novambra 2024
1 Timoty 5,1 - 8
1 [Ny amin'ny fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy, 2 ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra. 3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa. 4 Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra. 5 Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina 6 Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony. 7 Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny. 8 Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.1- Ny tokony ho toe-panahin’ny mpitondra fivavahana:
Mananatra amin’ny fanajana sy feno fitiavana (and 1-2): Rehefa tsy mendrika ny toetran’ny olona tandremana dia tsy mijery fotsiny fa mananatra, kanefa tsindrian’i Paoly tsara fa atao amin’ny fanajana sy ny fitiavana. Ny anti-panahy dia raisina toy ny ray aman-dreny sy rahalahy sy anabavy no fananatra sy fandraisana azy. Ny teny mandratra, na dia diso aza izy, dia toa endrika famonoana ankolaka.
2- Ny tokony ho toetran’ny mpitondra tena efa loa-jafy
Dia tokony ho fitaratra ho an’ny zanany sy ny vinantony ary ny zafiny amin’ny fitiavam-bavaka ka manao izay ahatonga an’ireo ho tia an’Andriamanitra (and3-8). Tsy andraikitra fotsiny izany fa tena toetra anaty mihintsy. Ny tsy fikolokoloana ara-panahy ny ankohonana dia faharatsiana mihoatra ny ataon’ny tsy mino mihintsy aza. Tsy ny ara-panahy ihany anefa fa ny lafim-piainana manontolo koa.
Fanontaniana
Raha tsara toetra isika dia ho mamy hoditra ao amin’ny ankohonantsika. Fa raha ratsy kosa isika dia tsy ho to-teny mihintsy. Aiza amin’ireo ary no misy antsika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe