Ny tokony ho toetran’izay Kristiana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Novambra 2024
Filipiana 1.27-30
Filipiana 1.27-30
27 Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, 28 ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra. 29 Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy, 30 dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.Ny tokony ho toetran’izay Kristiana
1- Mendrika ny Filazantsara (and 27a)
Ny filazantsara dia mitory fiadanana, fahasambarana, fahamendrehana ary indrindra ny famonjena. Noho izany ny Kristiana dia tokony hanana toetra mifanaraka amin’ireo. Santionany izao tanisaina izao: miadana, tony sady mampanjaka ny fitoniana, faly mandrakariva, mendrika amin’ny lafim-piainana rehetra, ary voavonjy ka mizara famonjena amin’ny hafa. Mila mitandrina amin’izay atao rehetra isika kristiana fa tokony hifanaraka foana amin’ny filazantsara ny toetratsika. Hoy i Paoly ao amin’ny I Korintiana 11.1 «Aoka hanahaka ahy ianareo dia tahaka ny hanahafako an’i Kristy».
2- Miray fo sy fanahy hampandroso ny finoana ny Filazantsara (and 27b)
Mahafinaritra tokoa ireto Kristiana tao Filipy ireto satria rehefa nandray ny Filazantsara izy ireo dia tsy nijanona tamin’izay, fa niara-nihevitra am-po sy fanahy ny hampandroso ny finoana an’io Filazantsara noraisiny io. Izany hoe nanao tetika izay hizarana izany amin’ny hafa indray izy ireo.Ary amin’izany dia tsy mihemotra amin’izay fanakatsakanan’ny fahavalo fa miaraka mamaha ny olana. Mendrika ny halain-tahaka izany ry havana.
Fanontaniana
Mahasahy milaza ve isika amin’izao fa mendrika ny filazanisara ny toetratsika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe