Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Novambra 2024

Salamo 34.11-22

Salamo 34.11-22
11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo. 12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, 13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. 14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. 15 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. 16 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. 17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. 18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. 19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. 20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. 21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. 22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

1. Arovy ny lelanao amin’ny ratsy.

Izay ambara eto dia mitaona antsika tsy hiteny fitaka, na lainga fa mba hilaza fahamarinana mandrakariva. Io lela io mantsy dia mety hamitaka antsika raha tsy voatandrina, fa avy ao aminy ny soa sy ny ratsy. Ny olona miaina amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra dia tokony tsy ho fitahin’ny lela, afaka mifehy tsara izay ambara, mandanjalanja izay tenenina. (vakio Jakoba 3).

2. Manaova ny marina

Ny fahamarinana izay ataontsika dia misy mahita, misy mihaino koa ny fitarainana izay ataon’ny olo-marina. Koa rehefa manao ny marina isika dia henoin’Andriamanitra, ary tsy hoe mihaino fotsiny Izy fa tena mamonjy amin’ny fotoana rehetra indrindra amin’ny fotoana mampahory. Tsy mahazaka ny olo-marina mijaly Izy fa miaro mandrakariva, ataony miavaka eo anatrehan’ny tsy marina ny manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.

Tsy fatiantoka na oviana na oviana ny fanaovana ny marina, ary ezaka tsy maintsy atao. (Vakio Gal 6.9)

3. Mitadiava fihavanana amin’ny Tompo

Olona manao ahoana moa izany mitady fihavanana amin’ny Tompo izany? Olon’ny fitiavana ka misokatra sy manampy ny hafa, olona manana fo torotoro sy mangorakoraka ka manao asa tsara mandrakariva, olona sahy mijoro ho vavolombelon’ny Tompo ka manao ny sitrapony. Ny olona mitady fihavanana amin’ny Tompo dia vonona ho amin’izay anirahiny koa ary manana ny toe-panahiny rahateo.

Fanontaniana:

Aiza ny toerana na sehatra mety ahitantsika olona tahaka izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe