Fahendrena sy fanetren-tena eo anatrehan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Oktobra 2024

Joba 42.1-6

Joba 42.1-6
1 [Ny teny farany nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: 2 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao. 3 Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. 4 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro. 5 Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; 6 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.

1. Miaiky ny herin’Andriamanitra (and 2)

« Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao… » hoy i Joba, mamaly ny resaka nataon’i Jehovah taminy. Tsy fanomezan-tsiny na fimenomenomana tamin’ Andriamanitra no nataony, na dia mazana sy mafy dia mafy aza ny fizahan-toetra nihatra taminy: ny zanaka maty, ny fananana rava, ny biby fiompy nafoy, ny tena feno vay hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Soa fianatra ho antsika izany, hahay hiaiky fa matoa avelan’Andriamanitra hitranga dia misy lalana tsara lavitra voaomany ao. Ary moa tsy izany koa ve no nodiavin’i Jesoa! Niaritra ny mafy tamin’ny lalan’ny hazofijaliana, maty, nalevina fa nitsangana tamin’ny maty.

2. Manetry tena hatrany (and 6)

« Koa miaiky sy mibebaka eo amin’ny vovoka sy ny lavenona aho » hoy ihany i Joba manohy ny teniny. Na dia tsy nahitantsika fanomezan’i Joba tsiny an’Andriamanitra mihitsy aza ny boky iray manontolo; dia misongadina eto ny fanetren-tena lehibe ananany, fa izao teniny izao raha lazaina amin’ny teny hafa dia toa milaza hoe: menatra anao aho tamin’ny teny rehetra nataoko koa miaiky ny fahadisoako aho, ary mifona ny amin’izany rehetra izany. Taomina koa isika, hahay hanetry tena mandrakariva manoloana ny voninahitra sy ny fahendren’ Andriamanitra, fa matoa mizaha toetra ny mpanompony izy, dia tsy ny hanimba na hanapotika no tanjony, fa ny hanehoany kosa fa mpanompo azony itokisana isika. Koa raha avelany hisedra ny mafy, aza maika hanome tsiny ny Tompo, manetre tena!

Fanontaniana

Aiza ho aiza ianao manoloana ireo voalaza ireo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe