Vavaka madio sy avy amin’ny fo

Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Oktobra 2024

Matio 6.5-8

Matio 6.5-8
5 Ary raha mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. 6 Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. 7 Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy. 8 Koa aza manahaka azy ianareo; fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo.

Tafiditra ao anatin’ny toriteny nataon’i Jesoa tany an- tendrombohitra ny anjara mofonaintsika anio. Fampianarana hivavaka, ary izany indrindra no ampahatsiahivana antsika anio ka hamaliana ny fanontaniana hoe, vavaka manao ahoana tokoa ny tokony ataontsika? Ireto no valiny

1. Vavaka tsy fisehoana ivelany (and 5)

« Ary rehefa mivavaka ianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izy dia tia mivavaka mitsangana…hahitan’ny olona azy ». Tena mazava ity fampianaran’i Jesoa ity. Tsy filan-dera sy dokadoka amin’ny olona akory no antony ivavahana fa ny hifandraisana amin’Andriamanitra. Koa fahadisoana ny fisehosehoana ivelany. Ankehitriny tsy eny an-dalam-be fa amin’ny tambanjotran-tserasera no ampiderana ny vavaky ny sasany, mitady « j’aime » betsaka, angaha ireny olona ireny no mila mihaino ny vavaka ataonao sy mamaly ny vavaka ataonao? Tsia: « Midira ao amin’ny efitranonao » (and 6), satria raharahanao sy i Jesoa irery ihany izany!

2. Vavaka tsotra vokatry ny fo (and 7)

« Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy ». Tsotra sady mazava ny ampianarin’i Jesoa eto, ary azontsika takarina avy amin’izany fa tsy ny halavan’ny vavaka akory no inona, tsy ny teny tsara lahatra sy fantenana hanaitra ny olona akory no laharam-pahamehana. Ny ilain’Andriamanitra dia vavaka vokatry ny fo, vavaka tsotra satria raha ny marina na tsy mangataka aza isika efa mahalala izay mahasoa antsika Andriamanitra. Havaozy ary ny fomba fivavaka manomboka anio! Ny fo no aoka hiteny fa tsy ny teny no hamaroina!

Fanontaniana

Manao ahoana ny fomba fivavakao manoloana ireo voalaza ireo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe