Ny Fahendren’i Solomona sy ny Fihainoan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Zoma, faha 18 Oktobra 2024
1 Mpanjaka 3. 5-15
1 Mpanjaka 3. 5-15
5 Tao Gibeona no nisehoan'i Jehovah tamin'i Solomona tamin'ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao. 6 Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin'i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin'ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian'ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany tahaka ny amin'izao anio izao. 7 Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an'i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra. 8 Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin'ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany. 9 Koa omeo ahy mpanomponao saina malady* ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao? [Heb. fo mihaino] 10 Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan'i Solomona izany zavatra izany; 11 ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain'ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao, 12 dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao. 13 Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy* mpanjaka tahaka anao amin'ny andronao rehetra.[Na: nisy] 14 Ary raha handeha amin'ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan'i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao. 15 Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy.1. Mihaino ny mpanompony (and 10)
« Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan’i Solomona izany zavatra izany » hoy ny fitantarana, Raha mitopy eo aloha isika dia hahita fa raha ny marina dia Andriamanitra mihitsy no milaza amin’i Solomona hoe: « Angataho izay tianao omeko anao » (and 5); maneho amintsika izany fa tena zava-dehibe Aminy ny fangatahan’ny olony. Izay miavaka eto koa dia ny zavatra nangatahan’i Solomona, tsy mba vola aman-karena na fijanonana ela eo amin’ny fitondrana, na ihany koa famelezana ny fahavalo fa fahendrena. Raha mba ny mpitondra rehetra mantsy no manana izao toe-po ananan’i Solomona izao dia hiadana ny vahoaka satria manana mpitondra hendry (fahendrena avy amin’Andriamanitra fa tsy filozofia)
2. Marina amin’ny teniny (And 16 ss)
« Ary tamin’izany dia nisy vehivavy janga nankao amin’ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany« . Tena nomen’Andriamanitra tokoa izay nangatahan’i Solomona, nahazo fahendrena izy, ary teo amin’ny tantara dia tsy nisy toa azy. Ny fitantarana dia maneho amintsika eto fa raha vao namaly vavaka Andriamanitra dia mitohy amin’ny fanaporofoana fa izay nolazainy dia ataony tokoa. Ka dia fitsarana vehivavy roa niady zanaka no tohin’ny tantara. Eto no miharihary fa tsy mampanantena poakaty Andriamanitra, izay nekeny homena dia omeny tokoa. Fitsarana sarotra no niseho teto, nefa dia niharihary ny fahendren’i Solomona. Raha ianao re no teo, inona no nataonao?
Fanontaniana:
Mba inona re no angatahinao amin’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe