Ny Asa sy ny Fitiavan’Andriamanitra amin’ny Olony

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 17 Oktobra 2024

Joba 33.19-33

Joba 33.19-33
19 Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava; 20 Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny. 21 Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo; 22 Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina. 23 Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona, 24 Ary* hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,[Na: Dia] 25 Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy; 26 Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany*.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy] 27 Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko; 28 Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava. 29 Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza, 30 Mba hamerina ny fanahiny tsy ho* any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina.[Na: hiala] 31 Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny. 32 Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho; 33 Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.

1. Miasa Izy (and 29, 30)

« Indro, izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka » hoy ny voasoratra. Maneho amintsika miharihary izany fa tsy mandrimandry na mipetrapetra-poana akory Andriamanitra. Ny matoanteny hoe « atao » mantsy dia midika hoe mihetsika, izany hoe tsy mahatafandrimandry an’ Andriamanitra mihitsy raha misy olona na dia iray monja aza mbola mandeha amin’ny lalan’ny fahaverezana. Raha miampita any amin’ny Testamenta vaovao isika, dia ny fanomezana an’i Jesoa Kristy hamonjy izao tontolo izao no porofo mitohoka amin’ny tendany (Jao 3. 16).

2. Miala nenina amin’ny fomba rehetra Izy (and 29)

« …indroa amin’ny olona, eny intelo aza » hoy ny Soratra Masina eto. Izany no mampihasinkasina fa tena manam-piniavana sady manam-pitiavana Andriamanitra, tsy mba sitrany mihitsy ny hahatonga ny olona hikiry amin’ny fahadisoany hany ka tsy sasatra mitaona ny olona hiverina Aminy amin’ny fomba rehetra Izy. Tsy mba mamely am-pitaka na miandry kendry tohana mba hamelezana Izy, fa izany no mahatonga an’i Jesoa miantso hoe « Mibebaha ianareo » (Mat 3.2) raha vao nanomboka nitoriteny. Isika koa aoka tsy ho saro-tiavina, mibebaha dieny mbola fotoana.

Fanontaniana

Tsapanao ve fa tsy tian’Andriamanitra ho very ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe