Ny olona nandray ny fahazavan’i Kristy
Mofonaina anio: Talata, faha 15 Oktobra 2024
Jaona 9. 24-34
Jaona 9. 24-34
24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany. 25 Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao. 26 Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao? 27 Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo? 28 Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr'i Mosesy. 29 Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan'Andriamanitra; fa ny amin'izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany. 30 Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy. 31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. 32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason'izay teraka jamba. 33 Raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy. 34 Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin'ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.Ny olona nandray ny fahazavan’i Kristy
1. Manaiky ho mpianany
«Moa te-ho mpianany koa va ianareo? » (And. 27)
Jesoa nanasitrana lehilahy teraka jamba. Nanahirana ny Fariseo izay fatra-pitandrina ny lalana momba ny Sabata izany. Fady ny manasitrana amin’ny andro Sabata araka ny lalána. Satria ity lehilahy nahiratra dia nanaiky ho mpianatr’i Jesoa Kristy. Sarin’ny fahiratana ara-panahy ny an’ity lehilahy ity. Manaiky ho mpianatr’i Jesoa Kristy ny olona izay nandray ny fahazavana avy amin’i Jesoa Kristy satria nisitraka ny fahasoavana avy taminy. Ny fahatsapan’ny olona ny hasarobidin’ny fahasoavana noraisiny avy amin’i Jesoa Kristy no mahatonga ny olona ho mpianany. Ny mpianatr’i Jesoa dia manaraka ny heviny sy ny fomba fisainany. Ary manana ny sain’i Kristy tsy voahozongozona izy.
2. Mijoro ho vavolombelony
« Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy. » (And. 33)
Sahy niteny ampahibemaso, teo anatrehan’ny Fariseo sy ny Jiosy ilay nahiratra fa avy amin’Andriamanitra i Jesoa Kristy, tsy mpanota i Jesoa ka afaka nampahiratra ny masony. Tsy menatra ny nijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy izy. Araka izany, ny olona mahiratra ara-panahy, nandray fahazavana avy tamin’i Kristy dia sahy mijoro ho vavolombelony. Tsy menatra ny milaza momba ny an’i Jesoa Kristy fa tena avy amin’Andriamanitra tokoa Izy, na dia tsy mino Azy aza ny olona. Tsy mora anefa izany fa matokia an’i Jesoa Kristy fahazavana hanazava anao hatrany.
Fanontaniana
Ahoana ny fomba ijoroana ho vavolombelon ‘i Jesoa Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe