Andriamanitra Marina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Oktobra 2024

Ezekiela 18. 23-32

Ezekiela 18. 23-32
23 Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? 24 Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy. 25 Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako* va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[*Heb. lalana] 26 Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy. 27 Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny. 28 Raha mahita izy ka miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. 29 Nefa hoy ny taranak'Isiraely: Tsy marina ny fitondran*'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny fitondrako* va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo* va no tsy marina?[Heb. lalana] 30 Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany. 31 Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? 32 Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.

Andriamanitra Marina

1. Mitaona ny olona hibebaka

«Mitodiha, ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra..» (And. 30) Teny fampanantenana ataon’ Andriamanitra amin’ny vahoaka raha mibebaka izy ireo, dia ho voavela ny helony. Nihevitra ireto vahoaka ireto, tamin’izany, fa na dia manao ny tsy marina aza izy ireo, dia ny taranany no hizaka izany fa tsy izy ireo. Ahitsin’Andriamanitra izany fomba fisainana izany. Samy mizaka ny vokatry ny fahotany ny olona tsirairay ka mila mibebaka. Noho izany, marina ny fitsaran’Andriamanitra amin’ny olona, tompon’andraikitra amin’ny fahotana vitany ny tsirairay ka mila miverina amin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy irery ihany no ahafahana mibebaka, miverina amin’Andriamanitra. Koa mibebaha.

2. Mitaona ny olona amin’ny fiainana

«…ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’Isiraely? » (And.31) Rehefa avy mibebaka ny olona, dia taomina hanana fomba fisainana vaovao, fahatsapana vaovao, mba hahafahana mandeha amin’ny lalana vaovao izay mamaritra ny toetra sy fitondran-tena vaovao. Ny olona manana izany toetra izany no efa niala tamin’ny fahafatesana ka nisafidy ny fiainana. Andriamanitra mbola miala nenina amin’ny olona ka mitaona azy am-pitiavana indray mba handray ny fiainana. Ary izany fiainana izany dia napetrany ao amin’i Jesoa Kristy. Ka ny olona misafidy hanana toetra sy fomba fisainana araka an’i Kristy no manana fiainam-baovao.

Fanontaniana

Ahoana ny fomba hialana amin’ny tontolon’ny fahafatesana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe