Ny fampianaran’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Oktobra 2024

Lioka 5. 33-39

Lioka 5. 33-39
33 Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an'ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany. 34 Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan'ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? 35 Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra* ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izany andro izany vao hifady izy.[*Na: Ny andro izay hanesorana] 36 Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao dia tsy hifanaraka amin'ny tonta. 37 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra; 38 Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao. 39 Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara*.[*Na: tsaratsara kokoa]

Ny fampianaran’i Jesoa Kristy

1. Mahaleo tena

« Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta… » (And. 36) Amin’i Jesoa, tsy afaka mifandray ny lamba vaovao sy ny lamba tonta. Entina ilazana ny fampianaran’i Jesoa izay fampianarana vaovao sy ny fampianaran’ny Fariseo. Ny fampianaran’i Jesoa no mamotika ny fampianarana taloha. Noho izany, tsy azo afangaro ireo fampianarana roa ireo. Mila azontsika izany, fa ny fampianarana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tsy azo afangaro amin’ny fivavahana hafa sy ny fombam-pivavahana hafa. Mahaleo tena, miavaka, manokana ny fampianarana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Koa taomina ianao, aza afangaro amin’ny fivavahana hafa sy fombam- pivavahana hafa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

2. Mitaky fihavaoza

Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditro vaovao. (And. 38) Amin’i Jesoa, maro ny olona tia ny divay ela satria mamy sady tsara fa ny divay vaovao kosa mahery sy mafaitra kokoa. Ny fiainam- baovao nentin’i Jesoa dia tsy mifanaraka amin’ny toetran’ny olombelona. Noho izany, tsy maintsy manaiky mihavao ilay olona izay vao mahay mandray sy mahazaka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ka ny olom-baovao no mahay ny fiainam-baovao entin’i Jesoa Kristy. Koa tsy gaga isika raha misy olona tsy mahazaka ny filazantsara satria tsy mbola nihavao izy, ary aleony ihany mihazona ny fampianarana tranainy, izay tsy araka an’i Kristy. Meteza ho olom-baovao.

Fanontaniana

Inona no sakana tsy andraisanao sy hiainanao ny Filazantsara?

Sampana Sekoly Alahady Foibe