Andriamanitra manangana ny olona amin’ny maty

Mofonaina anio: Talata, faha 01 Oktobra 2024

Efesiana 2. 1-10

Efesiana 2. 1-10
1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, 2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; 3 teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. 4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika, 5 na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); 6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy, 7 mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha. 10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.

Andriamanitra manangana ny olona amin’ny maty

1. Mamindra fo amin’ny mpanota

«Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavany… » (And. 4) Fony tsy mbola tao amin’i Kristy ny olona, dia nandeha araka ny filan’ny nofony, izany hoe nanao izay nahafinaritra azy, na dia mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra aza izany. Kanefa, noho ny herin’ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, Andriamanitra kosa namindra fo taminy. Efa novelomin’ Andriamanitra niaraka tamin’i Jesoa Kristy isika, noho ny fitiavany sy famindrampony amintsika. Nisafidy hamindra fo tamin’ny olona, Andriamanitra, nanehoany, fa manan-karena fahasoavana sy fahamoram-panahy ao amin’i Jesoaa Kristy Izy. Ny tanjon’Andriamanitra amin’ny olona, dia famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

2. Mahary ny olona ho vaovao

« Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra. » (And. 10) Nohariana ho olom-baovao, tamin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ny mpino. Koa satria efa olom-baovao ao amin’i Kristy ízy, dia manao ny asan’Andriamanitra mifanaraka amin’izay maha olom-baovao azy izay ny olom-boavonjy. Ny asa izay ataon’ny olona amin’ny finoana, noho ny fahatsapany ny hasarobidin’ny famonjen’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, dia voarakitra any an-danitra. Mariky ny fiarahana nitsangana tamin’ny maty tamin’i Jesoa Kristy sady fiarahana mitoetra Aminy any an-danitra izany.

Fanontaniana

Inona no asa efa ataonao amin’ny maha olom-baovao anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe