Ny finoan’ilay vehivavy Kananita

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Septambra 2024

Matio 15.21-28

Matio 15.21-28
21 Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona. 22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra. 23 Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika. 24 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely. 25 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. 26 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely. 27 Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany. 28 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay.

Ny finoan’ilay vehivavy Kananita

1- Nahery nangataka

Vehivavy iray no voalaza eto, izay nanan-janaka narary nampahorian’ny demonia. Hoy izy tamin’i Jesoa: « mamindra fo amiko tompoko, zanak’i Davida ó, ny zanako vavy ampahorian’ny demonia loatra ». Fantany sy ninoany fa Jesoa dia manana fahefana amin’ny demonia, na dia teo aza ny fanakatsakanana sy ny tsy firaharahana azy. Tsy nihemotra izy, nijoro tamin’ny finoana ka nanantona an’i Jesoa. Ny hangataka fanasitranana sy vahaolana ho an’ny zanany no nahamaika azy. Ry havana, na inona na inona olana mahazo antsika dia tsarovy fa hain’ Andriamanitra ny zavatra rehetra. Koa aza mihemotra, aza misalasala mangataka vonjy Aminy.

2- Izay nataon’i Jesoa

Nisy dikany teo amin’ny asan’i Jesoa ny nandalovany tamin’io faritany io (Tyro sy Sidona). Vonona hitondra famonjena ho an’ny olona rehetra izay mila vonjy Izy fa tsy mba manavaka na iza na iza. Tsy diso anjara tamin’ny fandalovan’i Jesoa ny zanak’ity vehivavy ity satria nanam-pinoana. Marihina fa jentilisa izy, soa fianatra ny nataony sy ny fananany faharetana tamin’ny fangatahana tamin’i Jesoa Kristy. Manambara izany fa Jesoa dia natao ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka. Mangataha dia ho valiany ny vavakao. Mandray izay rehetra mino Azy Izy, ary mpamonjy ny olombelona rehetra. Miorena tsara amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, fa ny finoanao no mahavonjy anao.

Fanontaniana:

Tena nataonao tamin’ny finoana ve ny fangatahanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe