Ny Finoana sy ny Fahasitranana amin’i Jesoa Kristy

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Septambra 2024

Marka 5. 25-34

Marka 5. 25-34
25 Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary* roa ambin'ny folo taona [*Gr. narary nandeha rà] 26 sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza; 27 koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany. 28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Gr. voavonjy] 29 Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny*, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.[*Gr. fandehanan'ny ràny] 30 Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany? 31 Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy? 32 Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany. 33 Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra. 34 Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.[*Gr. namonjy]

Tantara maneho fahasitranan’ilay vehivavy narary nandritra ny roa ambiny folo taona no ampitain’ny Filazantsara eto amin’ity Soratra Masina ity. Misongadina eto ireo dingana nirosoan-dravehivavy.

1- Namelona ny finoany sy fanantenany ny fandrenesana ny amin’i Jesoa (and 27a)

Niaritra zavatra betsaka tamin’ny mpitsabo ravehivavy, sady koa tsy afaka niditra tao amin’ny Synagoga akory satria nosokajiana fa aretina maloto ity areti-mitaiza azy ity. Mafy tokoa izao toe- javatra lalovany izao, ary azo ambara fa efa eo amin’ny lalan’ny fahavereza-kevitra izy. Rehefa nahare ny amin’ i Jesoa izy dia velom-panantenana; nino izy fa hahasitrana azy i Jesoa. Ny fandrenesany ny amin’i Jesoa dia ampy hitondra finoana ho azy.

2- Nanetsika azy hanatona an’i Jesoa ny finoany (and 27b)

Rehefa nandre ny amin’i Jesoa izy, dia tsy nitomoe-poana fa nisy hetsika nataony, namakivaky tanatin’ny vahoaka maro mba hankeo ivohon’i Jesoa hahafahany manendry ny lambany. Izany no ilazana fa nahatonga herim-po sy fanapahan-kevitra lehibe teo amin-dravehivavy ilay finoana tao anatiny. Na dia misy olana tsy maintsy sedraina aza, dia tsy nahasakana azy tsy hahatratra ny tanjona hikasihany an’i Jesoa ireny. Izany koa no finoana andrasana amintsika.

3- Voaporofo fa mpamonjy mora azo Jesoa (and 34)

Nasehon’i Jesoa fa misy vokany tsara ny fanapahan-kevitr’ity vehivavy nino sy nanatona Azy: ritra ny loharanon’aretiny (and 29); nahazo teny mamy tamin’i Jesoa izy: « Anaka, ny finoana nahasitrana anao: mandehana soa amantsara, ary sitrana amin’ny aretinao »(and 34). Mitondra fahasitranana, handraisam-pahasoavana ny finoana an’i Jesoa; ka ijoroy mandrakariva izany.

Fanontaniana:

Mitondra inona eo amin’ny fiainanao i Jesoa Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe