Ny mpanompo tsara an’i Kristy Jesoa:
Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Septambra 2024
2 Timoty 4,6 - 10
6 Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina] 7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; 8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa. 9 [Fanaovam-beloma sy hafatra] Mazotoa hankat? amiko faingana ianao; 10 fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.Ny mpanompo tsara an’i Kristy Jesoa:
1. Mikolokolo hatrany ny finoana
« Tezaina amin’ny tenin’ny finoana, sy ny fampianarana tsara izay efa narahina » (and 6d): Nandray ny fampianarana i Timoty izy, ka mampita izany amin’ny hafa indray avy co. Fanabeazana mitohy sy maharitra no ilaina. Miara-dalana amin’izany ny fitondrantena tsara izay mifanaraka amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Adidintsika araka izany ny mandray tsara ny fampianarana, ny miaina izany amin’ny fahamasinana ary mampita izany amin’ny hafa indray. Kolokoloy hatrany ny finoana. Mijoroa ho vavolombelon’i Jesoa Tompo. Ilay Mahery amin’ny teny sy ny asa. Tohizo hatrany ny finoana arahana asa.
2- Mikolokolo hatrany ny fahasalamana
« Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena » (and 8). Ilaina ny mikolokolo vatana sy fahasalamana. Ny Filazantsara torintsika dia mahasahana ny olona manontolo, saina, vatana, fo, fanahy. Tempolin’ny Fanahy Masina ny tenantsika ka tsy maintsy kolokoloina tsara. Tsy simbaina amin’ny fandrerahan-tena amin’ny fomban’izao tontolo izao. Tsy maintsy mitandro fahasalamana amin’ireo sakafo sy fisotro ara-pahasalamana isika. Ny dia an-tongotra amin’ny fitetezana tanana sy vohitra dia sady famontosana Filazantsara no fampiasana ny tena hahasoa ny fahasalamana.
3-Mitory hatrany ny famonjena
« Izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino » (and10). Torio hatrany ny fahatsaran’ny Tompontsika. Ilay fanantenana tsy mamitaka.
Fanontaniana
Inona avy no mampiavaka ny mpanompo tsara an’i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe