Ry mpihazakazaka ô! Mahereza!
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Septambra 2024
Jeremia 20, 7-13
Jeremia 20, 7-13
7 [Ny fitarainana nataon'i Jeremia] Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy. 8 Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin'i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan'andro. 9 Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin'ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka. 10 Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika. 11 Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry*. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany![Na: tsy ambinina] 12 Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko. 13 Mihirà ho an'i Jehovah, miderà an'i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin'ny malahelo tamin'ny tanan'ny mpanao ratsy.« Fa ianao Jehovah Tompon’ny maro ô, izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo … Fa aminao no efa nanankinako ny adiko » (and 12)
Ry mpihazakazaka ô! Mahereza!
1- Na eo aza ireo mpanenjika mikasa handavo anao
Maro ireo fitarainana entin’i Jeremia eo amin’ny Tompo, Ilay niantso sy nifidy azy: « Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho », « izy rehetra dia maneso ahy » (and 7). « Fa ny tenin’i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isanandro (and 8 »; « Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorahana manodidina (and 10) »; « Izay tsara fihavanana amiko dia miandry izay ahalavoako (and 10) ». Hita araka izany fa natao daholo izay fomba rehetra hahakivy an’i Jeremia. Hita amin’ny fiandohan’ity toko faha roapolo ity fa nihatra tarnin’i Jeremia avokoa ny kapoka, ny famatorana tamin’ny bolokihazo (Jer 20, 2). Na teo aza izany rehetra izany dia mbola nanohy nampita ny hafatry ny Tompo i Jeremia, dia filazana ny loza mitatao amin’ny firenena. Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy izao faminaniana hita ato amin’ny bokin’i Jeremia izao mba ho fampitandremana izay miziriziry manohy ny ratsy fanao izay mitarika any amin’ny fahaverezana tanteraka. Mijoroa hatrany.
2- Ankino amin’ny Tompo ny adinao
« Fa aminao no efa nanankinako ny adiko »(and 12). Manoloana ireo fampahoriana sy fanenjehana mafy nanjo azy dia nila ho kivy i Jeremia. Toa naleony tsy nateraka akory (and14-15). Noho izy mifandray akaiky amin’ny Tompo dia tao aminy ihany ny fahatokiana sy fianteherana Aminy. Tsara ny miankina amin’ny Tompo. Ankino Aminy hatrany ny fanahianao rehetra.
Fanontaniana
Inona no tokony hatao manoloana ireo fahasarotana maro?
Sampana Sekoly Alahady Foibe