Ny mpino miorina amin’ny finoana
Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Septambra 2024
Genesisy 35, 1-7
Genesisy 35, 1-7
1 [Ny nankanesan'i Jakoba tany Betela, sy ny nisehoan'Andriamanitra taminy indray] Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao. 2 Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo; 3 ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny lalana izay nalehako. 4 Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo. 5 Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy. 6 Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. 7 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.Ny mpino miorina amin’ny finoana
1- Mifandray tsara amin’ny Tompo
Niteny tamin’i Jakoba ny Tompo, nanome baiko azy mba handeha, hiakatra any Betela ary honina any. Nandidy an’i Jakoba mba hanorina Alitara any; nampahatsiaro an’i Jakoba fa Izy Tompo no niseho taminy fony Jakoba nandositra ny tavan’i Esao, Hita araka izany fa tena mandeha tsara ny fifandraisana eo amin’ny Tompo sy Jakoba. Ny Tompo miteny, Jakoba mihaino sy manatanteraka. Io fifandraisana akaiky tamin’ny Tompo io dia nitondra fahobiazana tamin’i Jakoba. Niaro azy tao amin’ny sarotra, nampahery azy. Ho anao koa, ataovy ho zava-dehibe ny fifandraisanao amin’ny Tompo. Amin’ny alalan’ny vavaka, amin’ny famakian-teny, amin’ny alalan’ny fihainoana ny baikony sy ny fankatoavana izany. Meteza isika hotarihan’ny Fanahy Masina hatrany.
2- Mitaona ny hafa, indrindra fa ny ankohonany.
« Dia hoy Jakoba tamin’izay tao an-tranony mbamin’izay rehetra nomba azy… » (and 2): Hita taratra amin’izao tenin’i Jakoba izao fa sady miantefa amin’ny akohonany ny hafatra no miantefa amin’izay nomba azy tsy an-kanavaka. Manana adidy hitory ny fitiavan’ny Tompo amin’ny manodidina isika. Tena fijoroana vavolombelona tokoa ny hahafahana mitory amin’izy ireny. Ao amin’io « Jerosalemantsika » io aza no tena ahafahana mizara fitiavana, fifandeferana, fihainoana, fifampizarana. Hoy i Paoly: « …Raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny Fiangonan Andriamanitra » (1Tim 3, 5). Ny fihetsika asehontsika amin’izy ireo no mahataona azy hiroso na hihemotra.
Fanontaniana
Inona avy ireo adidy miandry antsika mpino?
Sampana Sekoly Alahady Foibe