Ilay Andriamanitra inoantsika

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Septambra 2024

Romana 8, 31-38

Romana 8, 31-38
31 Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? 33 Iza no hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. 34 Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika. 35 Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? 36 Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal. 44. 22). 37 Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'ilay tia antsika. 38 Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,

Ilay Andriamanitra inoantsika

1- Nanolotra ny Zanany lahy tokana:

« …Izay tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy… »(and 32). Mancho ny fitiavany antsika ny Tompo. Ambaran’i Paoly fa rehefa momba ny’ mpanompony Izy dia tsy misy hahatohitra antsika na iza na iza, na inona na inona. Miorina tanteraka amin’ny finoana ny mpino, ka ho reraka co fotsiny izay mitady irika hanoherana ny olom-boafidiny. Tena fandresena miezinezina ho antsika ny nanomezan’ Andrimanitra ny Zanany.

2- Mpanamarina antsika

« Iza hiampanga ny no olom-boafidin Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy » (and 33). Isan’ny toetra mampiavaka ny devoly ny fiampangana. Izay manaiky ataony fitaovana amin’izany dia tsy mitsahatra mitady irika hanalana baraka ny olom-boafidin’ny Tompo. Na eo aza izany, ny mpino miaraka mandeha amin’ny Tompo, manana fanetren-tena, manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tsy miady irery fa manana Mpanolotsaina. Manoloana irco fiampangana samihafa dia manana Mpiaro sy Mpanamarina isika: « Manana Solovava ao amin’ny Ray isika dia Jesoa Kristy » (1Jao 2, 1). Tandremo àry ny manameloka lava ny tenanao amin’ireo ota efa nibebahanao taminy, ary amin’izao sisa izao, aza manota intsony.

3- Mihazona antsika tsy ho tafasaraka Aminy:

« Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy » (and 35). Na fahoriana, na fahantrana, na fanenjehana, na mosary, na loza, na sabatra, na inona na inona hoy Paoly dia tsy misy ahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ i Kristy.

Fanontaniana:

Inona avy ireo porofo anehoan’ny Tompo ny fitiavany ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe