Ireo rehetra mino sy manaiky an’i Jesoa Kristy.
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Septambra 2024
Kolosiana 1.21-23
21 Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin'ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny 22 tao amin'ny tenan'ny nofony, tamin'ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, 23 raha maharitra amin'ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin'ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.Tsy i Paoly fa i Epafra no nanorina ny Fiangonana tao Kolosia. Olona avy tao Kolosia ihany izy ka fantany tsara ny zava-nisy niainan’ny Fiangonana tao, toy ny fisian’ny fampianarana sandoka izay mampivily ny finoanan’ny Kristiana (cf 2. 4,8; …) Sarotra anefa ny mitory teny amin’ny sehatra niaviana, satria tsy misy mpaminany masina an-taniny izany, koa tena nila ny fanampian ny hafa izy noho izany. Mpiara-miasa tamin’i Paoly moa izy ka naniry ny fanampian’i Paoly amin’izany asa fitoriana nataony izany. Vokatry ny tatitra nataon’i Epafra momba ny fiainan’ny Fiangonana tao Kolosia ary, dia nanoratra ity taratasy ity i Paoly. Eto amin’ity teny ity dia lazain’i Paoly ny sehatra nisy ny olona (tao Kolosia) teo aloha:
Olon-ko azy izy ireo:
Vahiny amin’ny fifandraisana amin’ny Tompo izany, izany hoe tsy mahafantatra Azy; tsy mifampiraharaha Aminy mihitsy. Ka na dia hoe mba misy fihaonana aza, dia tena mifampihafahafa tokoa. Mbola ampian’i Paoly koa aza hoe fahavalon’Andriamanitra izy ireo satria ny fahotana izay mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra no tena fanaony. Na izany aza, mampahery ny olona i Paoly manao hoe:
Efa nampihavanina tamin’Andriamanitra ianareo.
Tokony ho fantatry ny Kolosiana niova fo rehetra kosa àry fa noho ny asa fanoloran-tena sy fahafoizan-tena nataon’i Jesoa Kristy dia efa nampihavanin’i Jesoa Kristy tamin’Andriamanitra indray ny olona mino sy manaiky an’i Jesoa Kristy; ka sy olon-ko azy intsony, ary tsy fahavalon’ Andriamanitra întsony toy ny teo aloha. Heverina fa tsy ho an’ny Kolosiana irery izany teny fampanantenana sy fampihavanana izany, fa ho an’izay mino an’i Jesoa Kristy rehetra.
Fanontaniana:
Iza daholo ny olona nampihavanin’i Jesoa Kristy tamin Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe