Fifamaliana sy Fanetren-tena ao amin’ny Fiangonana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Septambra 2024
Jaona 3. 25-30
25 Ary nisy nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy anankiray ny amin'ny fanadiovana; 26 ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy. 27 Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. 28 Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho. 29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany. 30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.1- Tandremo ny fifamaliana
Voalaza eo amin’ny and 25 fa nifanditra tamin’ny Jiosy iray ny mpianatr’i Jaona. Efa fantatsika tsara fa ny olona mifanditra dia manana izay hevitra tohanany izy aloha ary tsy ázo hozongozonina amin’izany mihitsy, sady tsy hanaiky ilay hevitr’ilay olona ifandirany velively koa anefa. Azo heverina izany hoe ireo mpianatr’i Jaona dia tsy maintsy nanohana sy nanamarina izay nataon’i Jaona; ilay Jiosy kosa anefa dia nanizingizina ny mahadiso izany, ary izany no nifandiran’izy ireo. Ny antony nifamalian’ny roa tonta moa dia momba ny fanadiovana. Ny mpahay Baiboly dia milaza hoe ny batisa no tiana holazaina amin’izany fanadiovana izany eto amin’ity sehatra ity.
Mazava araka izany, fa ho an’ny mpianatr’i Jaona dia ny batisan’i Jaona no marina, araka ny anarany rahateo, kanefa ilay Jiosy kosa dia niteny hoe ny an’i Jesoa no tena izy. Hita eto fa tsy misy ny marimaritra iraisana ka nampifanditra ny roa tonta ary mila tandremana mihitsy izany satria tena hisy tahaka izany ao amin’ny Fiangonana, raha tsy mitandrina ny tsirairay.
2- Mahaiza manetry tena
Rehefa nanao tatitra tamin’i Jaona ireto mpianany dia niteny koa hoe: Ilay tany aminao … dia manao Batisa. Mihevitra izany ny mpianatr’i Jaona hoe satria i Jesoa Kristy dia nanatona an’i Jaona hatao batisa dia ambany noho ny batisan’i Jaona ny batisa nataony. Tsotra anefa ny navalin’i Jaona hoe: Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena. Tsy fantatry ny mpianatr’i Jaona ny halehiben’ny ministeran’i Jesoa Kristy izay Andriamanitra mpanjakan’izao tontolo izao. Fa i Jaona kosa dia olona mpanompo ihany.
Fanontaniana:
Misy zavatra ifandirana tokoa ve ao amin’ny fiaraha-monin’ny kristiana? Inona no tokony hatao eo anatrehan izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe