Ny fanamarinana ny olona
Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Septambra 2024
Asan'ny Apostoly 13. 38-43
Asan'ny Apostoly 13. 38-43
38 Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; 39 ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy. 40 Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny mpaminany hoe: 41 Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5) 42 Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka. 43 Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.Ny fanamarinana ny olona
Efa niteny ny Soratra Masina hoe « tsy misy olona marina na dia iray akory aza » (Rom 3. 10) koa tsy maintsy ho very mandrakizay ny olona raha izany satria tsy misy azony atao mihitsy mba hanavotany ny tenany manoloana izany faharatsiany izany. Mba tsy hahavery tanteraka ny olona anefa dia indro niditra an-tsehatra Andriamanitra mba hanamarina ny olona. Tsy ny olona rehetra anefa, fa izay mino an’i Jesoa Kristy kosa. Ny fanamarinana ny olona dia tena asa madiodion’Andriamanitra, dia ny nanadiovany ny faharatsin’ny olona sy ny namelany ny fahotany rehetra mba hahafahan’ny olona miantso sy manantena ny fahasoavany indray.
Avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny famelan-keloka:
Ny fampianaram-pinoana tamin’izany fotoana izany dia nanome lanja tokoa ny lalàn’i Mosesy izay afaka mamaha ny olam-mpiainana rehetra manjo ny olona. Nampitaina sy nampianarina àry fa hoe rehefa mankatoa ny lalan’i Mosesy dia afaka amin’ny fahotana rehetra (ampitahao Mar 7. 3). Ny zavatra misy anefa dia izao: na dia narahana tokoa aza ny lalàn’i Mosesy dia tena mitoetra alavitra an’Andriamanitra ny olona satria ny ratsy dia atao ihany (ampitahao Mar 7. 6 8). Noho izany, tsy ny lalan’i Mosesy akory no nisy fahadisoana na lefy fa diso fandray ny hevitry ny Soratra Masina ny olona satria ambaran’ny foto-pampianarana kristiana fa i Jesoa Kristy no faran’ny lalana ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino Azy (Rom 10. 4). Izay rehetra mandray ny voalazan’ny lalàn’i Mosesy izany dia takiana hino an’ Jesoa Kristy, hanaiky sy hankatoa an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Amin’ny alalan’iza no hany hahazoan’ny olona fahamarinana sy famonjena?
Sampana Sekoly Alahady Foibe