Ny asa fisoronana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 31 Aogositra 2024
Ezekiela 44.15-19
Ezekiela 44.15-19
15 Fa ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo. 16 Eny, izy no hiditra ao amin'ny fitoerako masina sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana. 17 Ary raha miditra any amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon'ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin'ny kianja anatiny sy ao anatiny izy. 18 Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy. 19 Ary raha mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany hankany amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny fitafiany ireny.Ny asa fisoronana
1- Voatokana ireo mpanao fanatitra ho an’ny Tompo.
Nalalaka ny fanaovan’ny olona fanatitra tany am-boalohany, tsy voatery ho olona manokana toy ny mpisorona ihany, fa na ny filohan’ny fokom-pirenena no nanao izany, na ny raim-pianakaviana, ny mpanjaka koa. Ankoatra izany dia tsy voafaritra ny toerana fanaovam-panatitra fa araka ny sehatra misy azy avy (Eks 20. 23-26).
Tena araka ny nataon’ny patriarka indrindra izany fomban’ny sorona izany satria Abrahama sy Isaka ary Jakoba dia nanorina alitara ka nanolotra fanatitra tamin’ny toerana maro. Rehefa nisy kosa anefa ny Tempoly dia navondrona tao amin’ny tempoly irery ihany ny fanaovam-panatitra hatolotra ny Tompo. Tsy ny rehetra intsony araka izany no ho mpisorona toy ny teo aloha fa ny olona voatokana, dia ny Levita mpisorona taranak’i Zadoka, araka ny filazan’i Ezekiela eto. Ireo mantsy no nahavita nanokan-tena ho an’Andriamanitra satria tsy mba nandoto ny tenany tamin’ny fanompoan-tsampy izay nandavo ny maro tahaka ireo mpisorona maro hafa. Zava-masina loatra ny sorona ho an’ny Tompo ka mahatezitra ny Tompo ny tsy fahamasinan’ny mpanao izany.
2- Misalotra akanjo manokana koa izy ireo.
Ankoatra ny fanokanana ny tena dia tsy maintsy atokana koa ny fitafiana isalorana amin’izany asa fanompoana izany. Izany moa dia araka ny fandaminan’ny Tompo sy ny fanatanterahana ny fanompoam- pivavahana mihitsy. Tsy vao teto akory izany no noforonina fa efa natao tamin’ny mpisorona araka izay voalazan’ny lalàn’i Mosesy; saingy nisy hatrany ny fanavaozana izay vokatry ny fihodinana sy faharatsian’ny olona ihany.
Fanontaniana:
Nahoana no olona voatokana no manao asa fisoronana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe