Ny amin’ny vatana

Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Aogositra 2024

1 Korintiana 6. 12-20

1 Korintiana 6. 12-20
12 [Ny amin'ny fijangajangana tsy azo atao ho isan'ny zavatra tsy mampaninona, tahaka ny hanina samy hafa] Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona. 13 Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena. 14 Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny. 15 Tsy fantatrareo va fa momba ny tena'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany! 16 Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24). 17 Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy. 18 Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany. 19 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. 20 Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.

Ny amin’ny vatana

1- Ny vatana araka ny hevitry ny grika

Misy fombam-pitenenana eo amin’ny Grika manao hoe « fasana ny vatana » ary misy mpahay filozofia stoika iray koa miteny hoe « Fanahy mampalahelo voageja ao anaty vatana efa maty aho ». Ho an’ny Grika mantsy dia tsinontsinona ny vatana; niteraka fomba fanao roa samy hafa teo amin’ny olona momba ny fiheverany ny vatana izany:

-Andaniny, ao ireo izay nisafidy nifehy ny vatana sy nampagina ny fanirian’ny vatana sy ny filàny, ka tena nanao tsinontsinona ny vatana sy nampijaly io vatana io izy ireny.

-Tao kosa ireo nihevitra hoe ny fanahy no tena izy fa tsy misy dikany mihitsy akory ny vatana koa tsy maninona izay rehetra ataon’ny vatana. Dia maro ireo nanatanteraka ny fijangajangana tapitr’ohatra sy ny fanao ratsy maro samihafa.

2- Ny vatana ho an’ny Kristiana

Raha ny fandraisan’ny Grika azy dia toa nanome vahana izany fihevitr’izy ireo izany ny hoe « ny zavatra rehetra azoko atao ».

Diso fandray izany tenin’i Paoly izany anefa ny Korintiana satria noheveriny fa afaka izy na dia hanota aza. Notohizan’i Paoly ny teniny araka izany hoe « Ny zavatra rehetra azoko atao nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra ». Nihevitra ny Korintiana fa mitovy amin’ny hanina sy ny kibo ihany ny tena sy ny fijangajangana, ka raha afaka mihinan-kanina ny kibo dia afaka miray amin’ny vehivavy janga ny tena. Diso tanteraka anefa izany satria ny hanina dia ho an’ny kibo tokoa nefa dia holevonin’Andriamanitra izy ireo. Ny tena kosa dia efa novidin’i Jesoa tamin’ny ràny ka ho Azy ary haharitra raha mandray Azy; fa ho levona kosa raha miray amin’ny vehivavy janga.

Fanontaniana:

Manafaka sa manavotra ny olona ny fahafahana izay entin’ny fandrosoana sy entin’ny saina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe