Jesoa Kristy, tia ny mpianany
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Aogositra 2024
Jaona 17.6-19
Jaona 17.6-19
6 Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao. 7 Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy. 8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy. 9 Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy. 10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho. 11 Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. 12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. 13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] 16 Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. 19 Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.Jesoa Kristy, tia ny mpianany
1- Mivavaka ho an’ny mpianany i Jesoa Kristy
Manatanteraka ny fanaovam-beloma ny mpianany i Jesoa satria fanao mihitsy izany ho an’ny mpitarika ny vondrona iray rehefa handao io vondrona io izy noho ny antony misy. Mety raha mivavaka ho an’ny zanany na ho an’ny vondrona hilaozany izy mba hampahery azy fa tsy sanatria misara-maina fotsiny. Nanao izany i Mosesy rehefa handao ny olona ka nivavaka sy nitsodarano azy ireo (Deo 32). Jesoa Kristy koa eto dia nanatanteraka izany satria hisaraka amin’ny mpianatra Izy. Ka dia nampahery ny mpianatra izy, ary koa:
2- Mangataka ny hiarovana ny mpianatra Izy
Voalohany, nangataka Izy ny hiarovana azy ireo amin’ny alalan’ny herin’ny Ray ary tsy fiarovana ara-bakiteny anefa no nangatahany, toy ny hoe fiarovana amin’ny fahavalo ohatra, fa ny fiarovana ny fiombonany kosa (and 11). Azony antoka mantsy fa hisy hamely ny mpiandry dia hihahaka ny ondry (Zak 13. 7), tiany hiombona hatrany mantsy ny mpianany.
Ankoatra izany, mivavaka ho an’ny mpianatra koa Izy satria rehefa misaraka Aminy ny mpianatra dia tsy maintsy hiaina sy hivelona eto amin’izao tontolo izao ihany, kanefa io tontolo io dia mankahala azy ireo; araka ny efa nambarany fa ho halan’izao tontolo izao ireto mpianatra ireto (15. 1719); ho tandindomin’ny fankahalan’izao tontolo izao sy ny famelezan’ny devoly; hampiharihary ny halehiben’ny haratsiam-panahiny izao tontolo izao (and 14 15). Mivavaka koa Izy mba hahamasina ny mpianatra izany hoe ho voatokana ho an’Andriamanitra ka na inona na inona manjo azy dia efa an’Andriamanitra mandrakariva izy ireo.
Fanontaniana:
Mety ve ny mivavaka ho an’ny hafa? Mino ve ianao fa mivavaka ho an’izay mino Azy i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe