Miverena amin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 27 Aogositra 2024
Salamo 61.1-8
Salamo 61.1-8
1 [Fangatahan'ny mpanjaka efa nandositra, mba hampodin'Andriamanitra indray] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. 2 Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; 3 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo. 4 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho, 5 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao. 6 Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro. 7 Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; 8 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko.Miverena amin’Andriamanitra
1- Mahatsiaro ho irery sy very ny olona
Voalazan’ny mpanao Salamo fa tahaka ny any am-paran’ny tany mihitsy izy ka manirery. Ny tiany ambara amin’ny hoe any am-paran’ny tany dia tena alavitry ny toera-masina izay fivavahana sy ifandraisana amin’Andriamanitra mivantana. Tsy afaka niaina izany fifandraisana amin’ny Tompo izany izy, izany hoe: tsy afaka nivavaka sy nitalaho ary nangataka fanampiana tamin’ny Tompo tao amin’ny toera-masina ka nahatsiaro ho irery sy very. Ny ambara amin’ny hoe: « vatolampy avo tsy tratro » kosa indray dia ny toerana azo antoka hahafahana manosika sy mandresy ireo fahavalo; ary aminy dia tsy misy afatsy ny hery sy ny fahefan’ny Tompo no ambarany amin’izany ka maniry hialoka sy hiantehitra amin’izany izy. Tery loatra noho ny fahavalo manenjika azy mantsy ity mpanao Salamo ity ka mila fanampiana sy vahaolana avy amin’ny Tompo, dia izao mivavaka izao.
2- Ao amin’Andriamanitra ny vahaolana
Resy lahatra ny mpanao Salamo fa ao amin’ Andriamanitra no misy ny vahaolana amin’ny zava-manahirana maro samihafa (jereo Sal 23. 6, 27. 4, 140. 13). Ny finoana sy fahatokiana ary fianteherana tanteraka amin’Andriamanitra araka izany no ampitainy sy ampianariny amin’izay rehetra mitady vahaolana raha sendra zava-manahirana. Zava-misy amin’ny fiainan’ny olona mantsy ny zava-manahirana mitranga amin’ny endriny samihafa ka indraindray dia lasa manaotao foana ny olona rehefa sendra izany. Eto dia mampitodika ny olona amin’Andriamanitra ny mpanao Salamo.
Fanontaniana:
Misy vahaolana ve ho an’ny olona amin’ny zava-tsarotra manjo azy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe