Ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Aogositra 2024

1 Tantara 15. 11-15

1 Tantara 15. 11-15
11 Ary Davida niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba, 12 ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan'ny fianakavian'ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin'ilay namboariko ho azy. 13 Satria tsy ianareo no tamin'ilay teo, dia nasian'i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy. 14 Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 15 Ary ny Levita nilanja ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny hazo, tahaka ny nandidian'i Mosesy araka ny tenin'i Jehovah.

Ny fifandraisana amin’Andriamanitra.

Tsy maintsy hamasinina ny tena …

Mikasa hamindra ny fiaran’Andriamanitra ho any amin’ny toerana nomaniny ho an’izany i Davida mpanjaka. Matahotra anefa izy noho ny zavatra efa nitranga teo aloha (jereo 1Tan 13. 9-11) ka nahatonga azy niteny eo amin’ny and 13 hoe « … Nasian’i Jehovah Andriamanitsika isika fa tsy nitady Azy araka ny voadidy ». Noho izany dia nandidy ny olona voakasika izy, dia ireo voafidy manokana hikarakara ny fanompoam-pivavahana sy ny fifandraisana amin’Andriamanitra mba hanamasina ny tenany. Ny tsy firaharahian’ny olona izany fahamasinana izany no nahatezitra an’Andriamanitra ka namelezany ny olona. Araka izany izay rehetra mifandray amin’ Andriamanitra dia tsy maintsy manamasina ny tenany, izany hoe: manokana ny tenany tanteraka ho an’Andriamanitra sy hanompo Azy ka manadio ny tenany manoloana ny fahotana sy ny faharatsiana maro samihafa nahalavo, ary mibebaka marina sy miala amin’izany. Raha tsy izany dia hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra.

… Vao afaka mifandray amin’Andriamanitra

Voalaza eto àry ny hoe « … Dia nanamasina ny tenany ny Levita sy ny mpisorona ». Tsy mandeha ho azy araka izany ny fifandraisana amin’Andriamanitra satria na dia ho an’ireo karazan’olona efa võatokana hifandray amin’Andriamanitra araka ny lalàna aza, rehefa tsy manam-pahamasinana araka ny tokony ho izy dia tsy ekeny sy mahatezitra Azy ka faiziny mihitsy. Tsy mivazivazy Izy, ary tsy manaiky ny endriky ny tsy fahamendrehana rehetra. Hevero àry ny fanamasinana ny tena ho anao mifandray amin’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Iza avy no takin’Andriamanitra hanamasina ny tenany mialoha ny hifandraisana Aminy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe