Ny fanamasinan-tena
Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Aogositra 2024
Isaia 52. 11-12
Isaia 52. 11-12
11 Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah. 12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.Ny fanamasinan-tena
1- Mialà, aza mikasika izay maloto
Fantatsika fa ny hoe « miala » dia maneho hetsika atao mihitsy fa tsy teny tenenin’ny vava fotsiny akory. Izany hoe: mila mihetsika mihitsy izay asaina miala ka miala amin’ny toerana iray ary mandeha amin’ny toerana iray hafa. Hita eto fa rehefa babo tany Babylona ny olona ka nafahan’Andriamanitra ny sisa tavela tamin’ny babo dia noteneniny koa hoe mialà eto. Misy hevitra roa no ambara amin’ny olona ka asainy hialana eto: Miala amin’ny fahababoana tany Babylona aloha, izany hoe: nafahan’Andriamanitra tsy ho babo intsony ary mody any amin’ny taniny, araka ilay fanazavana teo ambony izany.
-Fa ankoatra izany, tsy maintsy miala amin’ny fahalotoana sy ny fahotana ary ny faharatsiana rehetra nisy sy nahazatra azy ireo tany Babylona koa ny olona. Izay ambara amin’ny hoe « mialà » eto izany dia sady milaza ny fialàn’ny olona tsy ho babo intsony no mitaona azy ireo ihany koa hiala amin’ny fahotana sy fahalotoana namatotra tany amin’ny fahababoana. Ambaran’ny Soratra Masina fa tahaka izany ihany koa ny Kristiana: antsoina hiala amin’ny fanandevozan’ny satana sy amin’izay endri-pahotana rehetra misy manodidina azy sy mamatotra azy (jereo 2 Tim 2. 19)
2-Midiova izay mitondra ny fanak’i Jehovah
Ambaran’ny mpahay baiboly fa ny hoe fanaka eto dia ireo fitaovana maro samihafa nalain’ny Babyloniana tao amin’ny Tempoly. Misy ireo ampahany azo nentina miverina, araka ny aseho eto kanefa tsy entiketina fotsiny izany satria zava-masina. Noho izany, mila midio izany hoe: manamasina ny tenany izay mitondra izany.
Fanontaniana:
Ny olona tamin’izany fotoana izany ihany sa isika ankehitriny koa irahin’ny Tompo hiala amin’ny ratsy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe