Ny amin’ny taon-jobily

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Aogositra 2024

Levitikosy 25. 8-13

Levitikosy 25. 8-13
8 Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron'ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona. 9 Dia mitsofa anjomara avo feo amin'ny andro fahafolo amin'ny volana fahafito; dia amin'ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran'ny taninareo. 10 Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin'ny tany ho an'ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin'ny taninareo avy ianareo sy any amin'ny mpianakavinareo avy. 11 Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin'izay tsy namboarinareo; 12 fa Jobily izany ka ho masina ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo. 13 Amin'izany taona Jobily izany dia samy hody amin'ny taninareo avy ianareo.

Ny amin’ny taon-jobily

1- Mitsofa anjomara

Izay voalaza eto amin’ity toko 25 ity dia mifantoka amin’ny fotoana roa mifandray, dia ny momba ny taonan’ny Sabata. (25.1- 7) sy ny taon-jobily (25.7-14). Tsy maintsy manaraka ny lamina izay efa napetraka anefa ny fankalazana ny taon-jobily. Anisany tsy maintsy natao ny fitsofana ny anjomara mba ho ren-tany ho fampahafatarana ny vahoaka. Zava-dehibe amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny taon-jobily ka rariny raha toa ka tsofina ny anjomara mba handre sy hahafantatra ny rehetra. Toetra telo no mampiavaka ny taon-jobily dia: ny fanafahana ny Israelita mbola andevo; ny famerenana amin’ny fianakaviana ny fananan-drazany izay efa namidy; navela tsy hisy volena ny tany. Noho ireo zava-dehibe ireo dia notsofina manerana ny tany ny anjomara.

2- Hamasino ny taona faha dimampolo

Izao taon-jobily izao dia arahana fepetra toy ny hoe: fiantsoana fanafahana, mody amin’ny tany sy ny fianakaviany avy; aza mamafy, aza mijinja izay maniry ho azy, ary aza mioty amin’izay tsy namboarinareo, samia mody any amin’ny taninareo avy. Masina ny taon-jobily, ary ho masina toy izany ihany koa ny vahoakan’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Midika inona eo amin’ny fianano ny taon-jobily?

Sampana Sekoly Alahady Foibe