Manamasina ny tenany ny mpino satria:

Mofonaina anio: Zoma, faha 16 Aogositra 2024

I Korintiana 6. 1-11

1 Korintiana 6,1 - 11
1 [Ny tsy mahamety ny miady eo anatrehan'ny tsy mino] Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina? 2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. 4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny? 6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza. 7 Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo* ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? [* Na: matiantoka mihitsy ny fanahinareo, raha manana] 8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza. 9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] 10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. 11 Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa* ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. [* Gr. efa nanasa tena]

Manamasina ny tenany ny mpino satria:

1- Mandefitra ny tsy rariny

Resahin’ny mpanoratra eto fa raha misy zavatra mampifanolana eo amin’ny samy Kristiana dia tokony ho voalamina eo anivon’ny Fiangonana izany fa tsy entina eo amin’ny fitsarana. Ambaran’i Paoly fa henatra ho an’ny Kristiana ny mitondra ny raharaha momba azy hotsarain’ny tsy mino. Asaina mandefitra isika manoloana ireo tsy mino na dia ho heverina ho tsy rariny aza satria nampianarina handefitra amin’ny zavatra rehetra isika, sady mpanompo rahateo. Tsy ny fandreseny na ny fahareseny eo amin’ny fitsarana no resahina eto fa ny fandreseny na ny fahareseny amin’ny maha mpino azy. Tsy mahafaty antoka ny mandefitra mba hisehoan’ny voninahitr’ Andriamanitra.

2- Efa nohamasinina sy nohamarinina

Ambaran’ny mpanoratra amin’ny mpamaky fa efa nanana ny lasany koa ny sasany tamin’ireo Kristiana tao Korinto ireo, fa saingy navahana tao anatin’ny maro noho ny fandraisany an’i Jesoa Kristy ho Tompon’ny fiainany. Nohamasinina noho ny asa manokana izay nanolorany tena sy nanaovam-panekena. Nohamarinina izay azo adika koa hoe: nafahana, nambara fa marina eo anatrehan’ Andriamanitra. Tsy misy olona azo hamarinina afa tsy amin’ny fanavotan’i Kristy

Fanontaniana:

Amin’ny maha Kristiana anao, iainanao amin’ny fotoana rehetra ve ny fandeferana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe