Manamasina ny tenany ny mpino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Aogositra 2024
Lioka 12. 4-16
Lioka 12. 4-16
4 Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5 Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo*, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.[*Gr. Gehena] 6 Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. 7 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. 8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra; 9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra. 10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3] 11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo; 12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo. 13 Ary nisy anankiray teo amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko. 14 Fa hoy Izy taminy: Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo? 15 Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany. 16 Dia nanao fanoharana taminy Izy ka nanao hoe: Ny tanin'ny lehilahy manan-karena anankiray nahavokatra be.Manamasina ny tenany ny mpino
1- Aza matahotra
Manomboka eo and 4-12 no ampaherezana ny mpianatra mba hanana tahotra. Inona moa no resahina amin’izany? Avahan’i Jesoa tsara ny tahotra mamatotra ny olona sy ny tahotra izay manafaka azy. Mamatotra ny olona ny tahotra satria misy hery hafa izay tonga ao aminy ka manjàka sy matanjaka noho ny hery ananany. Izany hoe ny herin’ny satana no mifehy azy, hany ka tahotra sy horohoro no iainany. Fa ny tahotra manafaka azy kosa dia ny fanekena, ny fankatoavana ny fiandrianan’ Andriamanitra sy ny fahamasinany, mihoatra lavitra noho ny manam-pahefana izay hanary any amin’ny helo. Ry havana, aza matahotra àry isika satria efa nofidiny sy nohamasininy ho Azy, kanefa aoka hitoetra amin’ny fahatokiana mandrakariva mba ho tena mpino tokoa.
2- Matokia Azy
Na eo aza ny fanenjehana izay ataon’ny manam-pahefana noho ny tsy fanekena ny fahefana izay nomena ny mpanara-dia an’i Jesoa, ny mpanoratra ny Filazantsara dia mamporisika antsika hahatoky an’Andriamanitra hatrany izay miahy sy tompon’izao rehetra izao. Izao no voalaza: « Tsy eranambatry va no vidin’ny tsitsina dimy? Nefa tsy misy hadinoiny eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. » (and 6). Matokia azy fa mihoatra noho ny tsitsina isika; tsarovy fa sakaizany isika, fa tsy mpanompo. Akaiky an’Andriamanitra fa tsy lavitra akory; aza matahotra.
Fanontaniana:
Mby aiza ny fahatahoranao an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe