Manamasina ny tenany ny mpino amin’ny alalan’ny:
Mofonaina anio: Talata, faha 13 Aogositra 2024
Estera 4. 6-17
Estera 4. 6-17
6 Dia nivoaka Hatàka nankany amin'i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka; 7 dia nambaran'i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan'ny vola izay nokasain'i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan'ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy. 8 Ary nomeny azy koa ny kopen'ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin'i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin'ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an'ny fireneny. 9 Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin'i Mordekay tamin'i Estera. 10 Fa Estera naniraka an'i Hatàka indray hanao amin'i Mordekay hoe: 11 Ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay. 12 Dia nolazaina tamin'i Mordekay ny tenin'i Estera. 13 Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin'i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon'ny mpanjaka; 14 fa raha hangina mihitsy ianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana? 15 Dia nampitondra valiny ho any amin'i Mordekay indray Estera ka nanao hoe: 16 Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty. 17 Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.Manamasina ny tenany ny mpino amin’ny alalan’ny:
1- Fifadian-kanina
Raha nandriatra ny fitafiany i Mordekay noho ny fahafantarany ny teti-dratsy hampamono ny Jiosy rehetra, dia nitafy lamba fisaonana sady nihoson-davenona izy. Fa izay nataon’i Estera kosa ny amin’ny loza izay mananontanona dia ny fifadian-kanina. Tsy izy ihany fa ny Jiosy rehetra tao Sosana no nifady hanina tsy nihinana na nisotro nandritra ny hateloana andro aman’alina. Izao hetsika nataon’i Estera izao no hanantenam-panavotana ny Jiosy satria raha manda ny hanampy ny Jiosy izy dia ho ringana ihany koa. Ao anatin’ny sitrapon’Andriamanitra dia misy koa ny andraikitry ny olombelona. Ry havana, aza atao ho maivana na ho fahazarana eo amin’ny fianana maha kristianina ny fanantanterahana ny fifadian-kanina. Tsarovy fa manana toerana lehibe eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra izany. indrindra ho amin’ny fanavotana. Omeo toerana ny fifadian- kanina mba hisehoan’ny fahamasinana.
2- Manolotra ny ainy
Rehefa vita ny fifadian-kanina izay notanterahina nandritra ny telo andro, dia niseho tamin’ny mpanjaka Estera. Vonona hitsambiki- mikipy sady hanano ny vy very ny ainy izy; nandray ny andraikiny na dia tsy nahalala izay ho fihetsiky mpanjaka aza. Nanolotra ny ainy izy mba hamonjeny ny vahoaka. Na izy, na i Mordekay sy ny Jiosy rehetra dia nivavaka sy nifady hanina. I Estera dia nanolotra ny ainy ho faty, tsarovy koa mba ho fanavotana antsika teo an- tanan’ny fahavalo dia nanolotra ny ainy teo ambon’ny hazo fijaliana i Jesoa mba hisolo voina sy ho famonjena antsika.
Fanontaniana:
Mba tena zava-dehibe amin’ny olona ve ny fifadian-kanina? Sa fomba fotsiny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe