Manamasina ny tenany mpino

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Aogositra 2024

Apokalipsy 6. 9-11

Apokalypsy 6,9 - 11
9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin'ny alitara ny fanahin'izay voavono noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. 10 Ary niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin'izay monina eny ambonin'ny tany? 11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa.

Manamasina ny tenany mpino

1- Vonona noho ny Tenin’Andriamanitra

Ity seho hita eto amin’ity and 9-11 ity dia tsy mitovy amin’izay voambara eo ambony. Manova firafitra ny mpanoratra, tsy mahita mpitaingin-tsoavaly intsony isika tahaka izay hita eo amin’ny seho teo aloha, fa ny maritiora teo amban’ny alitara izay miantsoantso mba hampiharana ny fahamarinana amin’ireo izay namono nahafaty azy ireo no aseho eto. Novonoina ho faty ny martiora satria nandà tsy hivavaka tamin’ny sarin’ny bibidia (and. 13, 15), notapahin-doha noho ny finoany an’i Kristy sy ny fahamarinan’ny Tenin’ Andriamanitra izy ireo. Ianao izay mitoetra noho ny fahamasinan’ny Tenin’Andriamanitra dia mety hoenjehina sy hovonoina ka ho maty martiora, tahaka ny olo-masin’ny Testamenta Vaovao izay naharitra ho mahatoky amin’ny Tenin’Andriamanitra marina.

2-Asaina mitoetra amin’ny faharetana

Satria maro no ho faty noho ny finoany, fanenjehana no hihatra amin’izay manaiky ny Filazantsara ka mifikitra amin’Andriamanitra sy ny Teniny. Ilana faharetana ny fanarahan-dia ny Tompo satria tsy fotoana mandalo akory fa mitohy ny fanompoana, ary tsy tapitra eo amin’izay niheveran’ny fahavalo hanakanana azy ny Tenin’Andriamanitra. Mila maharitra isika, tsy kivy amin’ny fanompoana satria tsy indray andro araka izay niheveran’ny hafa ho manam-petra fa maharitra ny fanenjehana. Raha mbola misy koa ny mijoro ho martiora dia tsy ho tapitra akory ny fanenjehana fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

Fanontaniana:

Moa manaiky ho isan’ny martioran’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe