Jesoa Kristy Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 10 Aogositra 2024
Hebreo 10, 19-25
Hebreo 10, 19-25
19 [Teny famporisihana sy fananarana ho an'izay nihamalaina ka mila hihemotra] Koa amin'izany, ry rahalahy. satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy, 20 amin'izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, 21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 22 dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio* ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; [* Gr. voafafy] 23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana); 24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; 25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.Jesoa Kristy Tompo
1- Nandatsaka ny ràny ho antsika
Nandatsaka ny råny ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa. Tsy mba tahaka ny fanatitra tany amin’ny Testamenta Taloha fa Izy mihitsy no nanaiky antsitra-po. Fanatitra tsy manan-tsiny, fanatitra ankasitrahan’ny Ray, ary fanatitra indray mandeha monja. Ampy ho antsika ny rà nalatsany ka tsy mila fanatitra hafa intsony isika. Teo aloha dia ny mpisoronabe irery ihany no afaka miditra ao.
2- Nanokatra ny toerana masina ho antsika amin’ny toerana masina indrindra.
Rehefa nanolotra ny Tenany teo amin’ny hazo fijaliana anefa i Jesoa dia triatra ny efitra lamba. « Manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ràn’i Jesoa » (and 19). Afaka miantso ny Tompo mivantana isika, miresaka Aminy, mangataka famelana, ary mandray famelan-keloka.
3- Manokatra lalana vaovao ho antsika
« Lalana vaovao sady velona … dia ny nofony » (and 20): Jesoa Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Izy no antoka manome fiainana vaovao ho antsika sy mitarika antsika amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao. Noho i Jesoa Tompo dia tonga olom-baovao isika. Tsara ny Tompo!
4- Mahatonga antsika hanatona amin’ny fo voadio
Ny fo, ny fieritreretana, ny tena dia samy afaka manatona ny Tompo amim-pahatokiana sy am-pinoana. Ampy hanadio antsika ny rà soan’i Jesoa ka tsy mila fanadiovana hafa intsony. Mampahonena ny mahita olona an’alina mbola fitahin’ny hafa amin’ny fanadiovana amin’ny tapa-kazo sy fombafomba lazaina fa maneho ny maha Malagasy.
Fanontaniana
Nahoana no nosokafana ho antsika ny toerana masina?
Sampana Sekoly Alahady Foibe