« Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro Jehovah !. » (and 5)
Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Aogositra 2024
Salamo 93, 1-5
Salamo 93, 1-5
1 [Ny fiandrianan'Andriamanitra] Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika. 2 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin'ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao. 3 Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka. 4 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo. 5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.« Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro Jehovah !. » (and 5)
Ny trano Fiangonana
1- Toerana anandratana avo ny anaran’ny Tompo.
Maro ireo toerana ahafahana manandratra avo ny anaran’ny Tompo. Isan’izany ny Fiangonana. Ity Salamo ity dia isan’ny hiraina mandritra ny fanompoam-pivavahana. Tanisaina ato ny maha Mpanjaka ny Tompo; ny fiandrianany tsy manam-petra, ny fiombonan’ny voahary rehetra manandratra avo ny Anarany. Fiainan’i Jesoa ihany koa ny fanandratana avo ny anaran’ny Ray araka ny nambarany hoe: « Midera anao Aho raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany… » (Mat 11, 25). Araka izany dia tsy toerana fimonomononana, na hifandranitana amin’ny samy mpianakavin’ ny finoana ny Fiangonana, fa fiderana.
2- Toerana hanambaràna ny herin’ny Tompo
« Jehovah mitafy, eny misikina hery Izy » (and 1b): Tsy ho voatanisantsika velively ny fahalebiazan’ny herin’ny Tompo: hery mpanorina sy mpanangana, hery mpiaro, hery mitantana sy mivimbina, hery mitondra fandresena miezinezina. Ao amin’ny Jesoa Kristy io hery io. Izy ilay Mpandresy ka miteny amintsika hoe: « Matokia, izaho efa naharesy izao tontolo izao« . (Jao16, 33).
3- Toerana hanjakan’ny fahamasinana
Voatokana ho an’ny Tompo ny Fiangonana. Ny fahamasinan’ny Tompo no asongadina ao. Miantefa amin’ny mpino kristiana izany fahamasinana izany. Izay rehetra ao, ny olona, ny fanaka, ny hira, ny fizotry ny fotoana manontolo … dia samy voatokana ho Azy avokoa.
Fanontaniana
Aiza avy no ahafahana manome voninahitra ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe