Hafatra ho an’ny mpanompon’Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Aogositra 2024
2 Tantara 29,1 - 11
1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Hezekia, sy ny nanadiovany ny tempoly, ary ny nitokanany azy indray] Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin'i Zakaria. 2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy. 3 Tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy ka namboatra azy. 4 Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo ankalalahana atsinanana. 5 Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto. 6 Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan'i Jehovah. 7 Ary narindriny ny varavarana amin'ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro. sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin'ny fitoerana masina ho an'Andriamanitry ny Isiraely. 8 Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena* izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao. [Na: fampangovitana] 9 Fa he! lavon'ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany. 10 Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra. 11 Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.

Hafatra ho an’ny mpanompon’Andriamanitra

1-Hamasino ny tenanareo.

Mitantara momba an’i Hezekia mpanjaka ny voasoratra eto. Nasongadiny fa zava-dehibe sy saro-pady ny fanompoana. Tsy atao am-pahazarana, na araka izay heverin’ny olona ho mety amin’ny foto-pisainany fotsiny, fa atao eo ambany fitarihan’ny Fanahin’ny Tompo. Mazava eto ny baiko, fa ilaina ny fahamasinana ho an’izay rehetra miandraikitra ny fanompoana an’Andriamanitra.

2-Hamasino ny tranon’i Jehovah

Tsy ny tena ihany no hamasinina fa ny tranon’i Jehovah ihany koa. Tsy azo atao zohy fieren’ny jiolahy io toerana miavaka io: toerana natao hiantsoana ny Tompo, angatahana fifonana, fitahiana; natao hanjakan’ny fahamasinana sy fahadiovana. Toerana voatokana hanompoana ny Tompo ny Fiangonana.

3-Esory amin’ny fitoerana masina ny loto.

Tsy sitraky ny Tompo ny fivoriana masina haroharoim- paharatsina. Tsy azo atao am-pahazarana ireo fombafomba tanterahina eny amin’ny fitoerana masina. Mijery ny toe-pon’ireo rehetra manao fanompoana eny amin’ny fitoerana masina ny Tompo. Ny fanompoana tanterahana amin’ny fo maloto, amin’ny fihatsarambelatsihy dia tsy maintsy ialàna. Tsy maintsy tanterahina an-tsakany sy an-davany ny fanompoana fa tsy tapatapahana, na atao zara fa vita.

4- Mpanao fanompoam-pivavahana ianareo

Zava-dehibe ny safidin’ny Tompo miantefa amin’ny mpanompony (and 11). Tanterahina amin-joto izany, atao am-pifaliana. Tanteraho åry ny fanompoanao.

Fanontaniana

Inona avy no takiana amin’ny fanompoana ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe