Ny mpino ao amin’i Kristy
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Aogositra 2024
Hebreo 12, 14-17
Hebreo 12, 14-17
14 Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. 15 Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro; 16 fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava. 17 Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.Ny mpino ao amin’i Kristy
1-Tia fihavanana
« Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra » (and14):
Ny fahatsaran’ny fifandraisana amin’ny mpiara-manompo, amin’ny ankohonana sy ny fianakaviana, amin’ny mpiray monina, eny, amin’ny olona rehetra dia baiko miantefa amintsika mpino kristiana. Isan’ny nanoloran’i Jesoa ny tenany ny fihavanana amin’ny olona samy olona. Taratry ny finoana ny Tompo izay tsy hita maso ny fiezahana hifandray tsara amin’ireo mpiara-belona.
2-Mandeha amin’ny fahamasinana
Isan’ny baiko miantefa amintsika ihany koa ny fiezahana handeha amin’ny fahamasinana (and 14). Ny fahamasinana dia avy amin’ny teny hoe: « masina » izay midika hoe voatokana. Ny mpino mandeha amin’ny fahamasinana àry dia manana fitondran-tena miavaka: manahaka an’i Kristy ka tsy manao ny fanaon’izao tontolo izao; hita taratra amin’izay ataony ny vokatry ny Fanahy; mandresy ireo fakam-panahy maro samihafa; voatokana ho an’ny Tompo.
3-Mitandrina tsara
« Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra » (and 15): Efa zava-dehibe ny ahafahantsika misitraka ireo fahasoavana maro tsy voatanisa ao amin’ny Tompontsika. Mila tazonina tsara izany, araka ny baikon’ny Tompo hoe: « Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao » (Apo3,11). Tsy naman’izay mihemotra isika.
Fanontaniana
Inona avy ireo mampiavaka ny mpino kristiana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe