Ny olom-boafidin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Jolay 2024

Deoteronomia 31. 1-8

Deoteronomia 31. 1-8
1 [Anatra farany nataon'i Mosesy tamin'ny Isiraely sy Josoa, ary ny fanaperany ny lalàna] Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin'ny Isiraely rehetra 2 ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao. 3 Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain'i Jehovah. 4 Ary Jehovah hanao amin'ireo tahaka ny nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin'ny taniny. 5 Dia hatolotr'i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo. 6 Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy. 7 Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany. 8 Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

Ny olom-boafidin’Andriamanitra

1- Manaiky ny fandaminany

«Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ny tany… » (And. 7)

Teny nataon’i Mosesy tamin’i Josoa, teo anatrehan’ny Zanak’Isiraely izany. Teny fampaherezana nataon’i Mosesy tamin’ny famindram-pahefana izay nataony tamin’i Josoa. Tsy izy ireo anefa no nisafidy izany fa fanatanterahana ny tenin’i Jehovah (1. 38; 3. 28). Fandaminan’Andriamanitra izany. Toy izany koa isika ankehitriny. misy ny fifandimbiasana andraikitra eo amin’ny asa. Manoloana izany, tokony hanaiky isika fa fandaminana avy amin’Andriamanitra izany. Andriamanitra no mifidy sy manendry eamin’ny asa fanompoana iray, adidintsika kosa ny manaiky ny fandaminany. Manana ny safidiny i Jesoa Kristy (Jao.15. 16) ka ekeo amim-pahatsorana ny fifidianany.

2- Omeny teny toky

«Ary Jehovah no mandeha eo alohanao (…) koa aza matahotra na mivadi-po ianao. » (And. 8)

Nomen’Andriamanitra toky i Josoa, tamin’ny alalan’i Mosesy fa Jehovah no hiaraka aminy, tsy handao azy mihitsy, indrindra hialoha làlana azy amin’ny ady fakana ny tany Kanana. Manoloana izany, tsy tokony hatahotra izy hitarika ny Zanak’Isiraely hiditra amin’ny tany Kanana. Andriamanitra manome toky ny olom-boafidiny. Ho anao àry, nofidin’ Andriamanitra amin’io andraikitra io ianao, momba anao Izy, mialoha lalana anao Izy, miady ho anao Izy. Koa matokia, aza matahotra, ary aza miankina amin’ny herin’ny tenanao ihany koa fa miankìna Aminy mandrakariva. Efa nomena antsika i Jesoa Kristy hiara-miasa amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Koa matokia Azy.

Fanontaniana:

Inona no olana mahasarotra ny fifandimbiasan-toerana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe