Ny ondrin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Jolay 2024

Salamo 23. 1-6

Salamo 23. 1-6
1 [Ny Mpiandry Tsara] Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, 2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy. 3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy. 4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. 5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. 6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.

Ny ondrin’Andriamanitra

1- Andriamanitra no miahy azy

« Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho » (and. 1) Davida dia mpiandry ondry. Fantany tsara ny fiainan’ny ondry izay miankina betsaka amin’ny mpiandry azy. Malemy ny ondry ka tsy mahazaka noana, tsy maharo tena, tsy mahita lalana hombana raha tsy misy mpitarika. Ka ny mpiandry ondry no manome hanina, miaro, mitarika amin’ny atao rehetra. Izany no nataon’i Jehovah tamin’i Davida. Jehovah no manome hanina, miaro amin’ny fahavalo, mampahery, mitari-dalana, ary mitondra filaminana. Ka ny olona izay miankina amin’i Jehovah no misitraka ireo karazana fiahiana samihafa ireo. Ary izany no itaoman’ny Soratra Masina antsika anio, maneke hotarihin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy, matokia Azy fa Izy miahy ny fiainanatsika.

2- Matoky ny herin’Andriamanitra

«… ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. » (And. 4) Ny tehina dia ampiasaina ho fanairana ny ondry. Ny tehina ihany koa milaza ny herin’ Andriamanitra; ary indrindra ny fandresena ny herin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana. Araka izany, ny ondrin’Andriamanitra dia matoky ny heriny izay mitondra fandresena ho azy manoloana ny lalan-tsarotra sy manahirana eo amin’ny fiainana. Tsy miady irery ny ondrin’Andriamanitra fa miankina amin’ny herin’ny Mpiandry azy. Ary i Jesoa Kristy Ilay Mpiandry Tsara efa nandresy ny hery rehetra, eny hatramin’ny herin’ny fahafatesana aza. Izy no Mpiandry ny mpino rehetra izay miankina aminy. Koa matokia ny herin’llay Mpiandry Tsara.

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba iainanao ny fiankinana amin ‘i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe