Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty
Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Jolay 2024
1 Korintiana 15. 1-11
1 Korintiana 15. 1-11
1 [Ny amin'ny fitsanganan'ny maty] Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2 izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo. 3 Fa natolotro anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4 dia nalevina, ary natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; 5 ary niseho tamin'i Kefasy Izy, dia vao tamin'ny roa ambin'ny folo lahy koa. 6 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan'ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry. 7 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'i Jakoba Izy, dia tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. 9 Fa izaho dia ambany indrindra amin'ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan*'Andriamanitra aho. [* Gr. eklesia] 10 Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra no niara-niasa tamiko. 11 Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty
1- Fisehoany tamin’ny mpianatra
« ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa. » (And. 5) Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia niseho tamin’ny mpianatra sy ny olona maromaro. Anisan’ny nisehoan’i Jesoa Kristy i Kefasy (na i Petera) sy ny Apostoly roa ambin’ny folo lahy. Izany no nataon’i Jesoa Kristy mba hanehoana fa velona tokoa Izy. Ankehitriny anefa, tsy ny fisehoan’i Jesoa Kristy amin’ny nofo no isehoan’i Jesoa Kristy amintsika fa amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Ka izay rehetra te-hihaona amin’i Jesoa Kristy dia mila mamaky Soratra Masina. Ao amin’ny Soratra Masina irery ihany no ahafahana mihaona amin’i Jesoa Kristy. Koa mazotoa mamaky Soratra Masina mba hahafahana mihaona amin’i Jesoa Kristy mandrakariva.
2- Mitarika hiasa
« … fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko. » (And. 10) Anisan’ny nisehoan’i Jesoa ihany koa i Paoly Apostoly. Na dia nampisalasala ny maro aza ny maha Apostoly an’i Paoly. nanambara kosa izy fa izy dia Apostoly satria isan’ny nisehoan’i Jesoa Kristy. Koa Satria Apostoly izy dia niasa mafy tamin’ny fitoriana an’i Jesoa Kristy. Araka izany, ny olona nihaona tamin’i Jesoa Kristy, tao amin’ny Soratra Masina dia tsy maintsy miasa ho an’i Jesoa Kristy, eny, miasa mihoatra noho ny hafa aza. Arakaraka ny itomboan’ny olona amin’ny famakiana ny Soratra Masina, izay midika ho fihaonana amin’i Kristy, no manosika azy hiasa mafy kokoa ho Azy. Koa miasà ho an’ny Tompo fa fahasoavana izany.
Fanontaniana:
Inona ny asa fa nataonao noho ny finoana an’i Kristy?
S