Ny olona misafidy hanompo an’i Jehovah
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Jolay 2024
Josoa 24. 14-24
Josoa 24. 14-24
14 Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony* sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah. [Eofrata] 15 Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay. 16 Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa. 17 Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika. 18 Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika. 19 Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. 20 Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa. 21 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay. 22 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay . 23 Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo. 24 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinayNy olona misafidy hanompo an’i Jehovah
1- Vavolombelon’ny safidiny
«Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay.» (A nd.22) Niverimberina matetika ny fimenomenona sy fitarainan’ny Zanak’Isiraely fa toa terena izy ireo hanaraka ny fivavahana amin’i Jehovah. Nanoloana izany, dia nilaza i Josoa fa raha manompo an’i Jehovah ny Zanak’Isiraely dia safidin’ízy ireo madiodio, tsy misy teritery no anaovan’izy ireo izany. Ary izany no nahatonga an’i Josoa niteny hoe: « vavolombelona ho an’ny tenanareo hianareo« . Toy izany koa isika ankehitriny, safidin’ny olona tsirairay ny hanompo an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina, tsy an-tery, ary ny tenan’ny tsirairay, izay manao fanekena no vavolombelona amin’izany. Koa hajao sy iaino ny safidinao.
2- Manary ny sampy
«Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo…» (And. 23) Nisafidy ny hanompo an’i Jehovah ny Zanak’Isiraely. Tsy mandeha irery anefa izany safidy izany fa arahin’ny fanariana ny sampy sy ny fanoloran-tena hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo. Ary nanaiky izany ny Zanak’Isiraely. Toy izany ihany koa isika ankehitriny, rehefa misafidy ny hanompo an’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy isika dia mila manary ireo karazana sampy samihafa. Ny sampy dia izay heverin’ny olona ho ambony noho ny fanompoana an’i Jesoa Kristy. Koa ataovy marina ny fanompoanao an’i Jesoa Kristy, ario hanalavitra anao ny sampy sy ny endriky ny sampy samihafa fa izany no ataon’ny olona misafidy hanompo an’i Jesoa Kristy. Anio àry raha misafidy hanompo an’i Kristy hianao, dia ataovy amin’ny fonao manontolo izany.
Fanontaniana:
Inona ny karazan-tsampy tokony hialanao? Ahoana ny fomba hialanao amin’izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe